• Cours de change
  • 5126.68 AR
  • |
  • $4436.06 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Famatsian-drano eto Antananarivo : Niampy 18 ireo fiarabe mpitatitra rano

08/08/2025 16:34 © Moov

Vahaolana vonjimaika ihany hatreto no atolotry ny fitondram-panjakana, hanamaivanana ny olan’ny famatsian-drano. Tamin’ity 8 Ambositra ity, natolotry ny Filoham-pirenena ireo fiara miisa 18 hanampy ireo fiarabe mpitatitra rano.

Mila manampy rano maherin’ny 100 000 m3 isan’andro Antananarivo

Efa volana maromaro izay no nisedra olana mikasika ny famatsian-drano ny tanànan’Antananarivo. Misy tsy fahampiana hatramin’ny 100 000m3 nefa ny rano raha hatramin’ny 320 000m3 isan’andro no ilain’ny mponina. Noentina ho vahaolana, amin’io olana io, ity famatsiana ireo « bonbonnes » lehibe amin’ny alalan’ireo Camions citernes ireo.

Nanomboka tamin’ny volana oktobra 2024 dia efa fiarabe miisa 22 no nitaona rano ho an’ny faritra rehetra teto Antananarivo. Feno 40 izany izy manomboka izao, ary hamatsy « bonbonnes » miisa hatramin’ny 150. Saika ahitana ireo « bonbonnes » mila fenoina rano avokoa ny faritra maro be eto andrenivohitra. Hanampy ny fiasan’ny orinasa Jirama araka izany, ireto fiara lehibe ireto, araka ny efa nampanantenaina. Raha tsiahivina dia famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, no nahafahana nahazo ny sasany tamin’ireto fiara lehibe ireto.

Vahaolana maharitra

Ankoatra ireto fiara lehibe ireto dia mila vahaolana maharitra ihany koa ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo. Raha tsiahivina dia manary rano maherin’ny 40 000m3 ny fantsona noho ny fahanterany. Io no tena isan’ny ivon’ity olana ity. Etsy andaniny moa dia isan’ny vahaolana natolotry ny Fitondram-panjakana, ihany koa ny fananganana lavadrano lehibe amin’ny toerana maro. Efa mandeha ihany koa ny asa amin’izany, amin’izao fotoana izao. Mbola vahaolana natolotra ihany koa ny fananganana toho-drano lehibe eny Ampiriky, Laniera ary Ankadivoribe, izay hamokatra rano hatramin’ny 2 400 m³, isan’andro. Raha ny vinavina amin’izao fotoana izao dia, mbola tsy ato ho ato ny fahatanterahan’ny vahaolana maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires