• Cours de change
  • 5126.68 AR
  • |
  • $4436.06 AR
Copyright Image : © Faniry Njava/So'Art Studio - Acf
Image
Vaovao

Fitsaboana manatona vahoaka : « Cliniques mobiles » 15 isa no nalefan’ny ACF any Atsimo

08/08/2025 12:01 © Moov.Mg

Mahatonga ny mponina maro tsy hisitraka fandraisana an-tanana ara-pahasalamana fototra ny fahalaviran’ny elanelana misy eo amin’ny fonenana sy ny tobim-pahasalamana. Isan’ny ahitana izany tranga izany ny any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefan’i Madagasikara. Nametraka « cliniques mobiles » tamin’ireo toerana roa ireo ny ONG Action Contre la Faim (ACF).

Tolotra ara-pahasalamana maro

Midina ifotony, manatona ireo Fokontany saro-dalana, ny « cliniques mobiles » izay napetraky ny fikambanana tsy miankina Action Contre la Faim, tohanan’ny Vondrona Eoropeanina ara-bola, amin’ny alalan’ny ECHO (Komisiôna Eoropeana misahana ny fiarovana sivily sy ny asa fanampiana maha-olona). Miara-miasa amin’ny ASOS (Action Socio Sanitaire Organisation Secours) sy ny Médecins du Monde ny ACF amin’izany fitsaboana manakaiky vahoaka izany. Teo anelanelan’ny volana ôktôbra sy desambra 2024 dia « cliniques mobiles » miisa 9 no nalefa niasa tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefan’ny Nosy. Tafakatra 15 kosa ny isany, teo anelanelan’ny volana janoary hatramin’ny volana jona 2025. Ny ekipan’ny « cliniques mobiles » tsirairay dia ahitana dokotera, infirmiera, mpampivelona, mpitsabo mpanampy sy mpiandraikitra momba ny ara-tsaina sy ara-tsôsialy.

Karazana fandraisana an-tanana maro no sahanin’ny « cliniques mobiles ». Voalohany amin’izany ny fitiliana ny trangana tsifanjariantsakafo eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona, miaraka amin’ny fandraisana an-tanana ireo izay tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. Eo ihany koa ny fandraisana an-tanana mitambatra ireo aretin’ny zaza (PCIME). Ankoatra izay dia mampisafo ireo vehivavy mitondra vohoka ihany koa ny « cliniques mobiles », manome tolotra momba ny fandrindram-piterahana ary manatanteraka fizaham-pahasalamana hafa.

Ady amin’ny herisetra

Etsy an-daniny, mandray an-tanana ireo trangana herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy ity tetikasa fitsaboana manatona vahoaka ity. Tsikaritra mantsy fa tranga mbola tena fahita ny herisetra, any amin’ireo Faritra iasan’ny ACF, ary voailikiliky ny fiarahamonina ireo vehivavy niharan’izany. Araka izany dia nahazo fiofanana manokana ireo « cliniques mobiles », mba ho afaka handray an-tanana ireo vehivavy niharan’ny herisetra, ary koa mba handefa ary ireo eny anivon’ireo rafitra afaka mandray ny fitoriana sy manohy lalindalina kokoa ny fitsaboana, raha ilaina izany.

Manan-danja be ao anatin’ny ady amin’ny herisetra tanterahin’ny ACF ihany koa ny fanofanana sy ny fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina. Isan’ny nisitraka fanofanana ireo mpanabe, mba hahay hamantatra ny trangana herisetra sy hanoro ireo izay niharany, ny amin’ireo dingana tokony hotanterahiny, mba ho fanampiana sy fandraisana an-tanana azy. Olona miisa 2 216 no voaentana momba ny zo sy ny fisorohana ny herisetra, tao anatin’ity tetikasa ity. Olona niharan’ny herisetra miisa 12 kosa no nisitraka ny fandraisana an-tanana sahaza azy.

Lire la suite

Articles Similaires