Tontolo iainana : Tafatsangana ny « Tsimoka » hitantanana ireo faritra arovana telo ao Diana
Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanan « Tsimoka » ao amin’ny faritra Diana. Tanjon’izy ireo ny hifantoka amin’ny fitantanana sy fiarovana ireo faritra arovana ao Oronjia, Ramena, ary Ivovona.
Zava-dehibe ny fiarovana ny harena an-dranomasina
Ivon’ny fidiram-bolan’ireo mponina manodidina ireo faritra arovana ireo, amin’ny famokarana anaty rano. Araka izany, laharam-pahamehan’izy ireo ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary, indrindra ny tontolo andranomasina ao amin’ny faritra arovana, amin’ireo telo ireo. Hiompana amin’ny fampiroboroboana ny Jono sy ny Toekarena Manga, izany, ka ireo mpanjono ao an-toerana dia hahazo tombony amin’ny alalan’ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknika.
Raha ny fanazavana dia hamaly ny filàn’ny mponina ity fikambanana ity ary vahaolana amin’ny olana ara-tsosialy samihafa.
Fanohanana
Tonga nanatrika ny fampahafantarana ny fijoroan’ity fikambanana ity ny mpisehatra rehetra voakasika ka anisan’izany ireo solontena avy ao amin’ny Kaominina sy ireo Fokontany ao Oronjia, Ramena, sy Ivovona, ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy Toekarena Manga (#DRPEB) sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy Fampandrosoana Lovainjafy (DREDD) avy ao amin’ny Faritra DIANA. Teo ihany koa ireo mpanohana samihafa toy ny solontenan’ny ONG Blue Ventures avy ao amin’ny Faritra Boeny sy Diana, ny Fikambanana TSIMOKA ny tetikasa C3 ary ny solontenan’ny fikambanan’ny mpanjono avy ao Ankorikihely Ramena, ary Ivovona.
Nametrahana hafatra mafonja moa ireto mpikambana ireto mba hanatanteraka antsakany sy andavany ny asany. Ny lehiben’ny Sampandraharahan’ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra DIANA, Razandrimalala Orien, dia nanentana ny mpanjono mba hanararaotra tanteraka ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka. Nanamafy izy fa ny fiaraha-miasa akaiky sy ny fanajàna ireo fitaovana izay nomena dia hitondra fanovana mivaingana sy maharitra no hiantoka ihany koa ny fiveloman’ny mpanjono mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary mba ho lovainjafy.