Zaza na lehibe mifanintona : inona no atao manoloana izany ?
Trangan-javatra mety manaitra sy mampitaintaina ny mahita olona mifanintona. Samy mety ho tratran’izany avokoa na ny zazan na ankizy na ny lehibe. Ilaina ny mahafantatra ny fihetsika mila atao manoloana izany mba hiarovana ilay marary. Araho eto ary ireo tokony atao manoloana ny olona iray mifanintona.
Inona no atao hoe mifanintona ?
Ny fanintona dia « activité électrique » tsy ara-dalàna sy miseho tampoka ao amin’ny atidoha. Mety miseho amin’ny alalan’ny fihinjitrinjitra tsy voafehy eo amin’ny hozatra sy ny vatana, tsy fahatsiarovan-tena, tsy fitazomana pipy na kàkà… Amin’ny ankapobeny dia maharitra eo amin’ny segondra vitsy hatramin’ny minitra maromaro ny faharetan’ny fanintona.
Ny fihetsika atao manoloana ny olona mifanintona
Ny zavatra atao voalohany manoloana ny zaza na lehibe mifanintona dia ny mitony tsara aloha. Marina fa mety mampitaintaina mahita izany nefa kosa tsy azo atao ny mikoropaka. Ireto manaraka ireto ary ny fihetsika mila atao :
-Esorina ireo zavatra mety handratra ilay marary, toy ny fanaka maranitra, zavatra mavesatra… Raha eo amin’ny toerana mety hampidi-doza, toy ny hoe eo amin’ny arabe, akaikin’ny tohatra… izy dia mila afindra.
-Raha mihinjitrinjitra izy dia tsy azo tazomina hampijanona izany. Mety handratra azy tokoa mantsy ny fanoherana izany.
-Tsy azo asiana zavatra na hoe kaliana ny vavany. Hevi-diso ny hoe mety ho voateliny ny lelany. Raha kaliana sotro na rantsan-tanana ao am-bavany dia mety handratra mafy azy izany (tapaka ny nify, hatratry ny ati-vava…).
-Raha azo atao dia asiana zavatra malefaka mikaly ao ambanin’ny lohany, toy ny « coussin », akanjo bà… mba hiarovana ny « chocs ».
-Sokafana ny akanjo maneritery manodidina ny tenda, toy ny « cravate », « foulard », vozon’akanjo…
-Mila jerena tsara ny zava-mitranga mandritra ilay krizy sy ny faharetany. Mety ilain’ny mpitsabo ny mahafantatra izany amin’ny fizaham-pahasalamana sy fitsaboana ilay marary.
Inona no atao rehefa mijanona ny mifanintona ?
Rehefa mijanona ilay mifanintona dia miditra amin’ny « phase post-critique » ilay olona. Mety hahatsiaro tena verivery saina, te hatory sy tsy hahatadidy izay zava-niseho izy. Ny tokony atao manoloana izany dia :
-Atao matory miorirana izy, ny sandriny ilany atao ambanin’ny lohany ary ny ilany miforitra ambanin’ny soroka. Ny tongotra ilany atao miforitra ary ny ilany atao mitsotra. Izany dia mba hiarovana azy tsy ho kenda raha mandoa na mivoaka rora tampoka.
-Jerena hoe afaka miaina tsara ve ilay olona sao sendra sempotra na tsy avy miaina. Tsy avela irery izy fa endrasa ho tonga saina tsara. Resahana moramora izy ary ampitoniana. Ampiana izy avy eo hiarina na raha te hitsangana na hamindra.
-Mila entina any amin’ny tobim-pahasalamana kosa ny olona mifanintona raha toa ka izay izy vao nifanintona, maharitra mihoatra ny 5 minitra ilay fanintona, misy « crise » hafa vao vita ilay teo aloha, maratra izy mandritra ilay fanintona. Mila entina mpitsabo ny zaza na ny ankizy raha sady manavy be.