Bac 2025 : Manomboka androany 21 jolay ny fanadinana ho an'ny mpiadina 222 330
Manomboka androany alatsinainy 21 jolay ka tsy hifarana raha tsy ny zoma 25 jolay ny fanadinam-panjakana Bac 2025. Hitohy hatramin'ny 31 jolay ny fanadinana ho an'ireo mpiadina Teknika.
Tonga ny andro lehibe nandrasana ho an'ireo kilasy famaranana manaraka ny rafi-pampianarana Malagasy manerana ny Nosy. Miisa 222 330 ireo mpiadina voasoratra anarana. Nitombo ny isan'ireo hiatrika ny Bakalorea 2025 satria 218 395 no isan'ireo mpiadina tamin'ny taona 2024. Tahaka ny mahazatra, ny taranja Filozofia no anombohana ny fanadinana.
Tsara fiomanana
10 volana be izao ny fiomanana ho an'ireo mpiadina rehetra. Samy nampihatra izay fikafika kely fanaovany famerenana ny mpianatra tsirairay, sady maro ihany koa ireo nandray anjara tamina "Faradoboka" nentina namehezana ireo mbola nanahirana.
Amin'ny maha-fanadinana nasionaly ny Bakalorea, mitovy ny laza adina manerana ny Nosy. Samy manana ny fandaminany manokana kosa nefa ireo Oniversite tsirairay isaky ny renivohi-paritany amin'ny fitsarana ireo taratasim-panadinana sy ny famoahana vokatra. Isan-taona, misy fivoriana tanterahin'ireo tompon'andraikitra sy mpitsara fanadinana vao manomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana. Ny alatsinainy 28 jolay no vinavinaina hanomboka ny fitsarana fanadinana. Ny vokatra kosa dia tsy mivoaka raha tsy aorian'ny "délibération". Io fifandinihana io no hamaritana ny "moyenne" na salan'isa farany ambany afaka fanadinana, izay 9,50 hatramin'ny 10/20 amin'ny ankapobeny.
Tsara ambina
Herinandro vitsy lasa izay, nandray fepetra hentitra ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony, mikasika ny fiarovana ireo laza adina. Maromaro mantsy ireo olona "mpibizina sujet" eny amin'ny Tambazotran-tserasera, ka nisy mihitsy ireo niditra am-ponja noho izany. Nisy mihitsy ny fanovàna ireo laza adina efa nokasain'ireo mpampianatra nitoka-monina novolavolaina. Tsara ny manamarika fa amin'ny fiafaran'ny Bakalorea, izany hoe amin'ny 31 jolay mihitsy, vao hamonjy fodiana ireo "mpanao sujets" ireo. Nisy "Caméra de surveillance" maherin'ny 200 rahateo napetraka tamin'ireo toerana saropady. Azo antoka izany fa laza adina mbola tsy nisy nahita mihitsy no ho eny an-tanan'ny mpiadina. Efa vonona ihany koa ireo laza adina "2ème choix" raha sanatria misy olana.
Namporisika ny mpanala fanadinana hanamafy ny famerenana ireo fepetra noraisin'ireo tompon'andraikitra. Azo lazaina izany fa tsy maintsy miankina amin'ny fahaizany ireo lesona rehetra isaky ny taranja ireo mpanala Bac fa tsy amin'ny "Pronostic" sy ny resaka mandeha etsy sy eroa. "Manan-danja ny diplaoma fa manan-danja lavitra mihoatra izany ny fananana fahaizana sy fahalalana mifandraika marina amin’ny diplaoma hananana", hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony, Chaminah Loulla