• Cours de change
  • 5079.25 AR
  • |
  • $4429.3 AR
Copyright Image : © Drcca
Image
Vaovao

Randja Zanamihoatra – 100 taona : Hampirantiana eny Ambohidahy ny asa sorany

18/07/2025 14:05 © Moov

Feno zato taona amin’ity taona 2025 ny mpanoratra Randja Zanamihoatra. Ho fankalazana izany dia hampirantiana eny amin’ny Trano sary Ambohidahy ny tantarany sy ny asa sorany. Hetsika izay karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina miaraka amin’ireo fianakaviany.

Harem-bakoka literera ny asa sorany

Anisany ahitana sangan'asa maro an’ity mpanoratra ity eny amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fiaraha-monina. Betsaka rahateo ny asa soratra novokariny, mizara amin’ny karazany maro. Manana tononkalo ; tantara foronina sy sombin-tantara izy. Ankoatra izay dia nanamarika ity mpanoratra ity, ihany koa ireo ny asa soratra famotopotoran-kevitra, lahatsoratra filozofika sy psikolojika. Nandinika ny tontolo ara-panahy, tonon’andro sy vintana, ny mikasika ny kintana, ihany koa ny tenany ary nanome lanja ny maha-malagasy.
Ireo rehetra ireo dia namaritan’ny Minisiteran’ny serasera fa harem-bakoka literera, ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra. Ho fanomezan-danja izany harena izany no anton’ny hetsika. Nanamafy ny Sekeretera Jeneralin’ny Minisitera, Rakotondrasoava Fetraniaina fa, « Miezaka mijery ireo sehatra rehetra mandrafitra ny Kolontsaina ny Minisitera. Anisany andraikitry ny Minisiteran’ny Kolontsaina ny fiarovana sy fanomezan-danja ireo harem-bakoka isan-karazany. Tafiditra ao anatin’ny harembakoka Literera ny asa-soratra, izay nataon’i Randja Zanamihoatra, ary manana ny maha izy azy eo amin’ny literatiora Malagasy".

Randja Zanamihoatra

Randriamananjara Edmond no tena anarany. Teraka tao ambositra ny 29 may 1925 ny tenany, ary nodimandry tamin'ny 11 jolay 1997. Hatramin'ny fahakeliny dia efa nankafy namaky boky ny tenany. Mpivaro-dandy no asa fivelomany. Nanao fanandroana, nandalina zava-miafina sy nianatra Soratra Masina ihany koa izy. Nanomboka tany amin'ny taona 1944 i Randja Zanamihoatra no nanoratra tononkalo. Nanomboka tamin'ny 1946, fony izy tany Ankazomiriotra kosa no tena nifantoka tamin'ny fanoratana.
Amin’izao fotoana izao dia misy ny asa sorany mbola tsy tafavoaka, noho ny antony samihafa, raha ny fanazavana. Maro moa ny mpanoratra no naka aingam-panahy avy amin’ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra.

Lire la suite

Articles Similaires