Ambovombe : Nametrahana tetikasa hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro sy ny tsy fandriam-pahalemana
Miteraka ny 62% ny disadisa ara-tsosialy ao amin’ny faritra Androy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro, hoy ny Minisitry ny Tontolo iainana. Mba hampihenana ny fifandirana sy ny disadisa vokatry ny fiovan’io toetrandro io dia nisy ny tetikasa izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao Ambovombe, Faritra Androy, omaly.
Mitentina 3.5 tapitrisa dolara
Eo ambany fiahian’ny sampan-draharaha samihafa ity tetikasa ity. Ao anatin’izany ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny Minisiteran’ny Rano, Fidiovana ary ny Fanadiovana (MEAH), ary ny Rafitry ny Firenena Mikambana (SNU). Haharitra 36 volana ny fe-potoana iasan’ny tetikasa ary mitentina 3.5 tapitrisa dolara amerikana (eo ho eo amin’ny 15 594 576 600 ariary), ny tetibola iasana izay tohana avy amin’ny Fonds des Nations Unies pour la Consolidation de la Paix. Etsy ankilany kosa dia ny UNICEF, OIM ary ny UNESCO, no hiandraikitra ny fanatanterahana ity tetikasa ity ao amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana.
Maro ny antony nanatanterahana ity tetikasa ity. Raha ny zava-misy tato anatin’ny 20 taona farany, dia rivodoza miisa 45, tondra-drano 18 ary haintany miisa 7 no namely an’i Madagasikara. Ny Faritra Atsimon’ny Nosy, izay faritra marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro no tena nizaka ireo olana ara-toetrandro ireo izay niteraka fihenan’ny loharanon-karena voajanahary, ka manome vahana ny fifindra-monina. Ireo rehetra ireo no fototra miteraka ireo disadisa eny ifotony ka hamahana izay olana izay ny tetikasa.
Mpisitraka mivantana : 435 000 isa
Isan’ny tetikasa voalohany maneran-tany mampirindra ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny fanamafisana ny fandriam-pahalemana, ity ao Androy ity. Olona maherin’ny 435 000 no ho voakasika mivantana amin’ny tetikasa ka ny vehivavy sy ny tanora no anisan’ny ho singanina manokana. Hojerena ao anatin’izany ny fametrahana rindran-damina fanamafisana ny rafitra firaisankina ara-sosialy, ny fitantanana mitovy lenta sy mangarahara ny loharanon-karena voajanahary toy ny rano, ary ny fisorohana ny herisetra sy ny tsy fitovian-jo.
Isan’ny asa ho vain-dohan-draharaha ny fametrahana paikady famahana ny fifandirana eo amin'ny fiaraha-monina. Eo ihany koa ny fampizakan-tena ny vehivavy sy ny tanora. Hanampy izany ny fanamafisana ny fitantanana eo an-toerana sy fanamafisana ny firindran’ny fiarahamonina.