• Cours de change
  • 5083.21 AR
  • |
  • $4426.42 AR
Copyright Image : © Vg
Image
Vaovao

Ambongo Vangaindrano : Nofoanana ny "Dina" mandatsaka ain'olona

18/07/2025 08:08 © Moov

Narodana ny tsangambato nanorenana ny "Dina Menabongo" mandatsaka ain'olona any amin'ny kaominina Ambongo, Distrikan'i Vangaindrano, faritra Atsimo Atsinanana

Mbola maro ireo faritra na toerana Iivelan'ireo renivohi-dehibe mampihatra ny atao hoe "Dina". Fifanaraham-piaraha-monina izy io, mba hampitoetra ny fandriam-pahalemana sy firaisankina.

Dina Menabongo

Ho an'ny tao Ambongo, ny "Dina Menabongo" dia manafay ireo mpanao ratsy amin'ny alalan'ny fandatsahan'aina imasom-bahoaka. Ireo olobe araka izany no mitsara ireo ady eny amin'ny fiaraha-monina, ka "voaheloka ho faty" ireo tratra mangalatra na mamono olona na manao ratsy. Tsy "fitsaram-bahoaka" akory no misy, fa fanoavana ny dina fa nifanarahan'ny fiaraha-monina.
Noho ny fitandrovana ny aina sy ny fanajana ny lalàna nefa, ho atolotra ireo manam-pahefana manomboka izao ireo tratra manao ratsy. Efa nampahafantarina ny rehetra izany fandravana ny Dina izany, ka manomboka eto dia handray andraikitra feno ireo mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana mahefa.

Lire la suite

Articles Similaires