Tontolo iainana : Tsy nahitana afo tao amin’ny faritra arovana Maromizaha nandritra ny 8 taona
Nahomby ny ezaka nataon’ny fikambanana « Groupe d'Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar (GERP Madagascar), tamin’ny fikarakarana ny faritra arovana Maromizaha. Tsy nahitana trangana afo tao an-toerana nandritra ny 8 taona, raha ny tatitry ny INDRI.
Firaisan-kina maharitra
Ny taona 2016, ny GERP dia mitantana, miaro ary manarina ny sahanala ao Maromizaha, faritra arovana iray any amin’ny faritra Atsinanana Madagasikara, amin’ny alalan’ny fambolena zana-kazo hita eny ifotony sy ny fiarahamiasa amin’ny mponina eny an-toerana. Isan’ny voalaza fa fenitra nampahomby ny asa fiarovana ny toerana ny firaisan-kinan’ireo fikambanana sy ireo vondron’olona ary ireo fiaraha-monina manodidina. Raha ny tatitra hatrany mantsy dia fianakaviana hatramin’ny 800 no nandray anjara, namboly sy nikarakara hazo aman’arivony tao an-toerana.
Etsy ankilany dia mbola isan’ny nahazoana ny vokatra ihany koa ny fametrahana fanaraha-maso entitra sy ny fametrahana fefy fiarovana amin’ny afo. Noho ireo asa isan-karazany rehetra ireo dia tsy nahitana afo intsony tao an-toerana nanomboka ny taona 2017, hatramin’izao.
Voaarina ny ala
Teo anilan’izany vokatra tsara izany dia nahitana fahombiazana ihany koa ny fiarovana ny ala. Vokatry ny fandraisana anjaran’ny rehetra dia maherin’ny 18 hekitara no voaverina amin’ny laoniny. Izany hoe niakatra avy amin’ny 1 441 ha tamin’ny 2021, lasa 1 459 ha tamin’ny 2023. Hafaliana ihany koa no nilazan’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana ireo fa miverina mameno ny ala ihany koa ny varika, toy ny Barimaso, izay niampy 13,5 % sy Sifaka diadema, niampy 2,7 %. Ankoatra izay moa dia ahitana Babakoto ihany koa ao amin’ny faritra arovana, « noho izany dia mahafaly anay ny mizara izany aminareo », hoy izy ireo nanamafy.
Ity tetikasa ity dia manaporofo fa rehefa miray hina ny rehetra dia afaka manakana ny afo, manarina ny zava-manan’aina ary mamorona asa ho an’ny mponina eny ifotony. Afaka entina ho ohatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ity faritra arovana ity.