• Cours de change
  • 5083.21 AR
  • |
  • $4426.42 AR
Copyright Image : © Animal Voice
Image
Vaovao

Anjanahary : Misy andian-jatovo mpampijaly sy mpanolana alika

17/07/2025 06:11 © Moov

Efa mirona tanteraka amin'ny zava-dratsy ny sasantsasany amin'ny zatovo sy tanora. Teny Anjanahary IIN, alika vavy mampinono no niharan'ny fampijaliana sy fanolanana.

Tranga hafakely sady tena mampalahelo no nozarain'ny Fikambanana Animal Voice Madagascar tamin'ireo mpitandro ny filaminana. Noraisin'izy ireo an-tanana mantsy ny alika vavy iray izay efa maratra sy jamba tanteraka. Noho ny hetraketraky ny andian-jatovo teny Anjanahary IIN no nahatonga izany.

Fandratrana sy fanolanana

Tsy vitsy ireo olona tia mampijaly irony karazana "animaux de compagnie" irony. Ireo alika mipetraka eny an-dalambe no tena iharan'ny fankahalana isan-karazany ka ao ireo voadaka na voavely tsotr'izao rehefa mandalo ireo tsy tia azy.
Tamin'ity indray mitoraka ity kosa, nampiharan'ireo zatovolahy mpankafy firaisana ara-nofo arahina fampijaliana [sadomasochiste] sady mpankafy firaisana amin'ny biby [zoophile], ny alika vavy iray mampinono. Maheno kiakiaka sy tomanin'alika hatrany ireo manodidina isan'alina, sady mahatsikaritra fa mitombo hatrany ny ratran'ilay alika. Efa rava hatramin'ny tarehin'ilay biby mihitsy satria mampiasa vy mamay ireo tsy mataho-tody. Tsy vitan'izany fa misy tsipitsipika natao tamin'ny menaka mainty ny lamosin'ilay alika.

Tsy fahafehezan-tena

Heverina fa salama saina tsara ireo andian-jatovo mpampijaly sy mpanolana alika ireo. Azo eritreretina kosa nefa fa mandray zava-mahadomelina izy ireo na lasa "obsédé sexuel" noho ny fijerevana horonantsary vetaveta tafahoatra. Mety ho fanamby adaladala eo amin'ny samy tanora ihany koa no nanosika azy ireo hampihatra herisetra ara-nofo tamin'ny biby.
Efa mandeha ny fikarohana ireo andian-jatovo ireo satria enjehin'ny lalana ny fampijaliana sy firaisana amin'ny biby. Miantso ireo tsara sitrapo rehetra ny CIRGN Antananarivo, indrindra ireo mponina eny Anjanahary sy ny manodidina, mba hanome vaovao mifandraika amin'izao raharaha izao. Amin'ity indray mitoraka ity vao hisy olona maromaro hidoboka am-ponja noho ny fanolanana alika.
Noraisin'ny Animal Voice Madagascar an-tanana moa ny fikarakarana ilay alika vavy sy ny zanany, ary mangataka ny fanohanan'ireo tsara sitrapo izy ireo.
Mampieritreritra lalina mikasika ny fahapotehan'ny toe-tsaina sy ny toe-panahy eto Madagasikara izao tranga izao.

Fanabeazana

Entanina ny ray aman-dreny rehetra mba samy hanara-maso sy hanoro ny lalan-tsara hatrany ny zanany avy, na dia efa miha-lehibe aza. Miainga amin'ny fanabeazana ao an-tokantrano mantsy ny fiainam-piaraha-monina. Amporisihina ihany koa ny zatovo sy ny tanora mba hifampitarika amin'ny tsara. Maro kokoa ny variana amin'ny kilalao ratsy isan-karazany noho ny mifantoka amin'ny fianarana sy ny fanomanana ny hoavy.

Lire la suite

Articles Similaires