• Cours de change
  • 5093.41 AR
  • |
  • $4422.68 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fihaonambe SADC : Natolotra androany ireo fiara Berline Hongqi H9 miisa 16 avy amin’i Chine

16/07/2025 11:25 © Moov

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fihaonambe SADC, ho tanterahina eto Antananarivo ny 16 sy 17 aogositra izao dia noraisina androany ireo fiara fanomezana avy amin’i Chine. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina no nandray izany, teny Iavoloha, avy amin’i Masoivohon’i Chine, eto Madagasikara.

Tsiahivina fa notaterin'ny filankevitry ny minisitra, ny 30 aprily lasa teo, ny fisian’ity fanomezana ity.

Hitondra ireo filoham-pirenena

Firenena miisa 16 no mandray anjara amin’ity fihaonambe ity, ary fotoana ihany koa handraisan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fitantanana ny SADC. Ho fanomezan-kaja ireo Filoham-pirenena sy Filoham-panjakana ho tonga eto Madagasikara, dia ireto fiara raitra, fanomezana avy amin’i Sina ireto no hampiasaina, hitsenana sy hivezivezen'izy ireo. Entina hanomezam-boninahitra ny mpampiantrano ihany koa izany. Hongqi H9 Berline, izany hoe « limousine de luxe », novokarin’ny orinasa FAW Hongqi ireto fiara ireto, ka mendrika tokoa handraisana ireo vahiny manankaja.
Fiara azo lazaina ho hika farany ny Hongqi H9. Miloko volontany sy mainty avokoa izy ireo ary efa ahitana ny karazana teknolojia avo lenta miaraka aminy. Efa ahitana « écran tactile » ihany koa hampiasaina ao anatiny mba tsy hanahirana ireo izay hampiasa azy. Handefa teknisiana ihany koa i Chine, hampiofana ny teknisiana malagasy ny amin'ny fikojana ireo fiara ireo.

Fanamafisana fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta

Efa eo ho eo amin'ny 50 taona izao ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine. Manamafy izany hatrany ny fanolorana ireto fanomezana ireto. Mbola entina hanampiana an’i Madagasikara ara-pitaovana amin’ny fiatrehana ny fihaonambe tokoa mantsy izy ireo. Nirary ny fahatomombanan’ny fihaonambe SADC araka ny tokony ho izy ny Masoivohon’i Chine, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Tetsy ankilany dia nankasitraka ny ezaka ataon’i Chine, hanampiana an’i Madagasikara, hatrany kosa ny Filoham-pirenena.
Raha tsiahivina dia sehatra maro no efa iarahan’ny roa tonta miasa. Ao anatin’izany ny fambolena, ny angovo, ny fitaterana, ny fahasalamana, ny fampianarana ary ny tontolo iainana.

Lire la suite

Articles Similaires