Fiofanana mampiaty : Tanora 50 manana olana amin’ny fandrenesana hiofana mikasika ny « crochet »
Tanora 50 avy amin’ny Akanin’ny Marenina Ivo Hay no hanaraka fiofanana mikasika ny « crochet » eto Antananarivo. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, 14 jolay 2025 izany. Tanjona ny hanampiana ireo tanora ireo hahita asa sy hahaleo tena amin’ny alalan’ny asa-tanana.
Fiofanana manokatra varavarana
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Sambatra tantanan’ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tànana, ity fampiofanana ity. Tanora manana olana amin’ny fitaovam-pandrenesana no homena fahafahana hiofana mikasika ny « crochet ». Miisa 10 izy ireo no mandray anjara amin’ny andiany voalohany, izay haharitra iray volana eny amin’ny Cenam Art Malagasy. Izy ireo no manome ny fiofanana sy mizara fahaizana. Tanjona, hoy ny Minisitry ny Fizahantany sy Asa tànana, Ramatoa Viviane Dewa, ny hanampy ireo tanora ho tafiditra amin’ny tontolon’ny asa sy ho mahaleo tena amin’ny fiainany. Hita matetika mantsy ny fahasahiranan’ireny olona manana fahasembanana ireny, eo amin’ny fitadiavana asa, ka heverina ho afaka hamorona asa ho azy izy ireo.
Fiaraha-miasa hanomezana fiainam-baovao
Natsangana tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Ministera, ny fikambanana AKAMA ary ny orinasa Lenkā Madagascar ity tetikasa ity. Nosoniavina ny 10 jona lasa teo ny fifanarahana ofisialy. Aorian’ny fiofanana dia hanao fizaran’asa eny amin’ny orinasa Lenka ireo tanora, ary hisy amin’izy ireo no ho raisina hiasa avy hatrany. Etsy ankilany dia maro ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka, nanome fitaovana toy ny rofia, vimba, ary kojakojan’ny fiofanana.
Amin’ny alalan’ity fiofanana ity dia heverina fa hanomboka hisokatra ny làlana ho an’ireo tanora marenina ireo. Ho afaka hitombo ny andraikiny eo amin’ny fianakaviany sy hanana fidiram-bola manokana izy ireo, na dia eo aza ny fahasembanana.