• Cours de change
  • 5113.52 AR
  • |
  • $4417.48 AR
Copyright Image : © Wwf-Madagascar
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Vetivety ny fiverenan’ny honko amin’ny laoniny ao Morondava

15/07/2025 11:25 © Moov

Fomba fambolena sy fikarakarana manaraka ny firafitry ny tontolo iainana no fomba hanavaozana ny ala honko ao Morondava. Nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2024 dia nampiharina teny amin’ny sisin-tanin’i Belo sur Mer izany, ary nanova ny endriky ny toerana ny fomba fiasa vaovao.

Fandraisana anjara fenon’ny fiarahamonina

Ao anatin’ny tetikasa “Pêche Côtière Durable” (PCD) izay tohanan’ny banky Allemagne na ny KfW no nanombohan’ny WWF Madagascar fanarenana ara-tontolo iainana any amin’io faritra io. Niatomboka tamin’ny fiofanana ho an’ireo fiarahamonina eny an-toerana izany, ny volana novambra 2024. Taorian’izay dia namboly « propagule » honko miisa 19 140 izy ireo, amin’ny velarantany eo ho eo amin’ny roa hetsy metatra toradroa (200 000m2).
Miompana amin’ny zava-misy isaky ny toerana, ity fomba fanao vaovao ity. Ao anatin’izany ny tantaran’ny faritra simba, ny antony nahafoana ny ala honko, ary ny toetry ny andro na ny vanim-potoana any an-toerana. Araka ny nambaran’i Lemo Gens Laurent, iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana mpiaro ny honko : « Tamin’ity indray mitoraka ity, dia tena hita ny fahombiazana sy ny fiovana. Maniry haingana kokoa ny honko ary miverina ihany koa ny hazan-drano toy ny foza ». Izany vokatra tsara izany dia mampirisika hatrany ny tanàna hafa manodidina ny morontsiraka mba hanatevin-daharana ny ezaka amin’ny fanarenana.

Vokatra haingana saingy mila fanaraha-maso hentitra

Enim-bolana taorian’ny fametrahana ny fomba fiasa vaovao dia hita fa tsara sy misy antenaina ny fitombon’ireo honko vao nambolena ireo. Na izany aza anefa, hoy i Tojo Rasolozaka, manampahaizana ao amin’ny WWF, dia miankina amin’ny kalitaon’ny fanaraha-maso izany rehetra izany : « Tsy an-kijanona ny hetsika natao hanombanana ny zava-misy ao anatin’ny tany toy ny fanombanana ny tahan’ny sira, ny toetry ny tany, ary ny fahazoana rano madio. Tsy ny velaran-tany no zava-dehibe indrindra, fa ny taham-pahaveloman’ny honko sy ny fiverenan’ny zavamananaina anaty rano ho azy. »
Izany fanaraha-maso hentitra izany no ahafahana mampitombo ny vokatra sy mampaharitra azy. Ilaina ihany koa hiantohana famerenana ho azy ny karazan-java-mananaina anaty rano.
Amin’izao fotoana izao dia loharanon’ny fanantenana amin’ny famerenana ny ala honko ny ao Belo sur Mer. Ankoatra ny ao moa dia miezaka mamerina ny any Ankevo sur Mer sy ny any Diana, ihany koa izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires