Dihim-bazaha : ireo vokatsoa amin’ny fanaovana azy
Tsy kilalao fotsiny ihany ny dihim-bazaha (corde à sauter) fa fanatanjahantena manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana ihany koa. Sady mikololo ny fo izy io, no mampietsika ny vatana iray manontolo ary manamafy ny hozatra. Andeha ho fantarina eto ary ireo vokatsoa azo amin’ny fanaovana dihim-bazaha.
Dihim-bazaha : mampatanjaka ny ny fo sy havokavoka
Ny dihim-bazaha dia voasokajy anatin’ireo fanatanjahantena « cardio ». Ny fanaovana azy dia mampitombo sy manentana ny fitempon’ny fo ary mampatanjaka ny havokavoka. Manampy betsaka amin’ny fahaizan’ny vatana mampiditra ny « oxygène » ary mamoaka ny rivotra maloto ao anaty ihany koa izy io. Ankoatra izay dia mampihena ny « risques » hahatratra ny aretin’ny fo sy ny lalandrà ary ny diabeta ihany koa ny dihim-bazaha.
Mandoro kaloria sy manampy amin’ny fampihenana lanja
Isan’ireo fanatanjahantena mandoro kaloria indrindra ny dihim-bazaha. Afaka mandoro kaloria mihoatra ny 10 hatramin’ny 16 isa-minitra ny fanaovana azy io, miankina amin’ny hamafin’ny fanatanterahana azy. Noho izany dia azo lazaina tena mahomby izy io ho an’ireo maniry ny hampihena lanja na koa hitazona ny lanja.
Mampatanjaka sy manamafy ny hozatra
Marina fa rehefa manao dihim-bazaha dia ny hozatry ny tongotra sy ny sandry no tsapa tena miasa. Raha ny marina nefa dia manenjana hozatra maro eo amin’ny vatana ny fanaovana ity fanatanjahantena ity satria miasa avokoa na ny hozatry ny fe, vavafo, valahana, soroka ary ny sandry satria mila mitazona sy mamily ny tady hitsambikinana.
Fanamarihana sy fitandremana rehefa manao dihim-bazaha
Raha vao manomboka manao dihim-bazaha, na miverina manao azy io, rehefa somary mahazo taona, izany hoe aorian’ny faha 30 taona, dia mila atomboka tsikelikely ny fanazarana atao sy ny faharetan’ny fanatanterahana izany. Tsy adinoina ihany koa ny manao « échauffement » mialohan’ny hanomboana sy ny « étirement » rehefa vita ny fanazarana, izany mba hisorohana ny ratra. Ankoatra izay dia tandremana tsara mba ho tady (corde à sauter) mifanaraka amin’ny halavana no ampiasaina.