• Cours de change
  • 5112.33 AR
  • |
  • $4413.43 AR
Copyright Image : © Remapsen
Image
Vaovao

22 taona ny Sata afrikanina momba ny zon’ny vehivavy : Tsy mbola nankatoa izany i Madagasikara

11/07/2025 16:23 © Moov.Mg

Marihina androany 11 jolay 2025 ny faha-22 taonan’ny Sata afrikanina momba ny zon’ny vehivavy, izay fantatra kokoa amin’ny hoe : « Protocole de Maputo ». Roapolo taona mahery no lasa, fa mbola tsy nankatoa ity fifanarahana ity i Madagasikara, izay efa nanao sonia izany tamin’ny taona 2004.

Raha tsiahivina dia misy andininy miisa 32 ny Sata afrikanina momba ny zon’ny vehivavy, izay lany nandritra ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, tany Maputo Mozambique, tamin’ny 11 jolay 2003. Voatanisa ao anatin’ireo andininy 32 ireo avokoa ireo karazana zo rehetra tokony hositrahan’ny vehivavy, amin’ny sehatra maro samihafa, toy ny zo ho amin’ny famongorana ireo herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy, ny zo ara-pananahana, ny zo momba ny fahasalamana amin’ny ankapobeny, ny zo ho an’ny fandovana…

Miantoka ny zon’ny vehivavy feno

Tombony ho an’i Madagasikara ny fankatoavantsika ity Sata Afrikanina mikasika ny zon’ny vehivavy ity, satria mameno ireo lalàna efa misy eto Madagasikara izy ity, araka ny fanazavan’i Andrianina Ravaka Ratsimba, tomponandraikitra eo anivon’ny Centre ODAS, mpikamban’ny Coalition Forum Génération Égalité (FGE) momba ny zo sy fahasalamana ara-pananahana. « Manana ny lalàna momba ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy isika, manana ny lalàna mikasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindram-piterahana ihany koa, fa tsy ampy ireo », hoy izy. Tombony ny fametrahana ny « Protocole de Maputo » ho lalàna velona, satria mijery ny antsipirihan’ny zon’ny vehivavy izy io, araka ny nambarany.

Ny fankatoavana ny fifanarahana iraisam-pirenena, na ny « ratification » moa, no mamadika ireny fifanarahana ireny ho lasa lalàna mihatra eo amin’ny firenena. Araka ny nambaran’ireo fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana, dia isan’ny sakana tsy ahafahan’ny vehivavy malagasy misitraka ny zony feno ny tsy fametrahana ny fifanarahan’i Maputo ho ara-dalàna eto amintsika.

Fanambin’i Madagasikara

Manentana hatrany ny mpitondra Fanjakana, mba hijery akaiky sy hanatanteraka ireo fanamby (engagement) noraisin’i Madagasikara ho an’ny zon’ny vehivavy, ny Coalition Forum Génération Égalité, amin’izao tsingerin-taona faha-22-n’ny Sata Afrikanina mikasika ny zon’ny vehivavy izao. Angatahan’izy ireo ny mba hiroson’i Madagasikara amin’ny fankatoavana ity Protocole de Maputo ity.

Etsy an-daniny, manohy ny hetsika fampahafantarana ny momba ity Fifanarahana iraisam-pirenena ity ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eto amintsika, satria mbola maro ihany koa ireo tsy tena mahalala ny votoatiny. Tanjona ny hiarahan’ireo fiarahamonim-pirenena isan-tsokajiny mientana sy manao haitaky, mba hahatongavana amin'ny fankatoavana ny Protocole de Maputo.

Lire la suite

Articles Similaires