• Cours de change
  • 5112.33 AR
  • |
  • $4413.43 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Sakalavan'i Boeny : Tontosa ny Fanompoambe 2025 tao Mahajanga

11/07/2025 15:16 © Moov

Mihidy ny vavahadin'ny Doany Miarinarivo : Mifarana androany zoma 11 jolay ny Fanompoambe 2025, fitampoho Sakalavan'i Boeny, notontosaina tao Tsararano Ambony, Mahajanga I.

Lanonana ara-drazana fanaon'ny Sakalavan'i Boeny isan-taona ny Fanompoambe. Fampandroana ireo "reliques" na ampaham-batan'ireo Ampanjaka Andriamisara efa-dahy manankasina. Ny toamainty (tantely nafangaro toaka sady nandrahoina fotoana maharitra) no atambatra amin'ny Ranon'i Betsiboka ka anasana ireo sisan'ny Ampanjaka ireo. Hosorana menaka kinana kosa ny vatakely fitehirizana izany ampahan-batana masina izany. Tao amin'ny Doany Miarinarivo avokoa no nanatanterahana izany rehetra izany.

Fanomezan-danja ny fomba Sakalavan'i Boeny

Anisan'ireo foko mbola mitahiry fatratra ny fomban-drazany ireo Sakalava monina ao Boeny. Miakatra ao Mahajanga I avokoa ireo mponina amin'ny tanàna manodidina sy avy any amin'ny faritra hafa. Marobe ohatra ny avy any Ambanja, Ambato-Boeny, Antsiranana sy Marovoay no namonjy Fanompoambe 2025. Efa samy manana trano fivantanana manodidina ny Zomba moa ireo isam-paritra efa mpamonjy ny lanonana isan-taona.
Nahitana teratany vahiny maromaro ihany koa ny Fanompoambe 2025, toy ny isan-taona ihany. Misy ireo avy any France, Mayotte, La Réunion sy firenena hafa. Na vahiny na Malagasy, na mpandala fomban-drazana na tsia, na Sakalava na foko hafa, samy nanaja ireo fady napetrak'ireo tompon'andraikitra avokoa. Ireo miditra ny faritry ny Doany, anaty fefy, dia tsy maintsy misikina na lahy na vavy. Tsy azo ekena ihany koa ny vehivavy misarakorako volo, fa tsy maintsy mirandrana madinika.

Firaisankina

Samy nanolotra omby na fikambanana na olon-tsotra. Nololohavina ihany koa ny vola sy fanomezana hafa. Ireo omby rehetra moa dia novonoina avokoa, ka nandrahoina natao nofonkena mitam-pihavanana ho an'ny mpanotrona. "Nifampizarana avokoa izay zava-nisy teto, tsy nanavahana finoana na fiaviana", hoy ny Manakasy iray, mpiandraikitra eo anivon'ny Doany Miarinarivo.
Tosika ho an'ny ekonomian'ny faritra Boeny rahateo ny Fanompoambe isan-taona satria mitombo ny fivezivezena sy ny fanjifana. Marobe ireo mpanao asa tanana nivarotra ny asan'izy ireo manodidina ny Doany Miarinarivo. Anisan'ny tena nanintona ireo mpividy ny karazana satroka nentim-paharazana. Nandeha ihany koa ny tsenan'ireo mpivarotra sakafo sy zava-pisotro isan-karazany.
Mbola hisy moa ny Moraingy, amin'ny alahady 12 jolay, ho an'ireo tovolahy matanjaka. Ao an-drenivohiitr'i Mahajanga I no hanatanterahana ny lalao fa tsy eny amin'ny faritry ny Doany Miarinarivo intsony.

Lire la suite

Articles Similaires