Tence Mena : Eo am-piketrehana raki-peo amin’ny teny frantsay
« Tsy manam-petra ny mozika », ho an’i Tence Mena. Noho izany indrindra dia manam-pikasana ny hizara ny kantony amin’ireo mpankafy miteny frantsay izy. Hivoaka amin’ity taona ity izany raki-peony izany.
Tence Mena, saro-kenatra…
Maroanjara Hortensia no anarany feno, fa Tence Mena no ahafantaran’ny maro azy. Manana ny tantarany io anarana maha-mpanakanto nosafidiany io. « Mazavazava ny lokon-koditro. Rehefa misy fihetseham-po aho dia mivoara-mena. Izay no nahatonga ny olona nametaka ny anaram-bositro hoe : « Mena », hatry ny fony kely », hoy ny fitantarany.
Saro-kenatra ve izany i Tence Mena ? Eny, hoy izy. Fa ny teny frantsay « introvertie » sy « réservée » angamba no mahalaza azy kokoa. Saingy na eo aza ny toetrany somary tia mitokantokana, dia nanampy azy ho sahisahy kokoa ny mozika. « Tsy hita eto ivelany loatra angamba ireo toetrako ireo, satria miezaka miady amin’ireo aho. Ny mozika no manampy ahy amin’izany, manome ahy fahafahana sy fahalalahana bebe kokoa », hoy ny fanazavany. Malalaka tahaka izany ihany koa ny gadon-kira voizin’i Tence Mena. Azo lazaina ho nitondra rivo-baovao teo amin’ny sehatry ny mozika malagasy mihitsy izy, tamin’ny alalan’ny « salegy mipoapoaka » izay nahafantarana azy. « Tsy manam-petra ny mozika amiko. Afaka milomano ao anatin’ny mozika rehetra aho : « dance hall », « afropop », « afrobeat », hatramin’ny « jazz », fa ny tena fototry ny kantoko dia ny Antsa Sakalava. Ao anatin’ny rako, ny foko sy ny saiko ny Antsa Sakalava, azo amoronana mozika be dia be ary azo entina mihoatra ny sisin-tany », hoy izy.
Te hihoatra an’i Madagasikara
Noho izay faniriany hihoatra an’i Madagasikara izay indrindra, dia eo am-piketrehana raki-peo amin’ny teny frantsay i Tence Mena. « Te hanitatra ny kantoko aho, te hizara ny mozika amin’ny olona miteny frantsay, te hihoatra ny fetra ka mba hiitatra amin’ireo any ivelan’i Madagasikara ny mozikako», hoy ny fanazavany. Raha ny vinavina dia hivoaka amin’ity taona 2025 ity izany raki-peon’i Tence Mena amin’ny teny frantsay izany.
Fa raha vao miresaka an’i Tence Mena, dia tsy azo lalovana fotsiny ny fomba fiakanjony miavaka sady mampiavaka azy amin’ny maro. « Tsy mpanara-damaody loatra aho, hoy izy, fa izay tiako no ataoko. Tafiditra ao anatin’ny fahalalahako maneho hevitra ny fiakanjoko sy ny fomba fisehoko. Tsy mahatsapa tena ho miavaka aho, fa ny olona no mahita izany », hoy izy feno fahatokisan-tena. Efa 15 taona moa izay no nitondran’i Maroanjara Hortensia ny anarana maha-mpanakanto azy hoe : Tence Mena. Tany amin’ny taona 1997 kosa izy no efa nirotsaka tao anatin’ny sehatry ny mozika, ka mpandihy aloha no niantombohany, avy eo izy nanao feo lafika, ary tamin’ny taona 2010 no nanombohany nivoy irery ny zava-kantony.