• Cours de change
  • 5108.47 AR
  • |
  • $4412.04 AR
Copyright Image : © Remapsen
Image
Vaovao

Firesahana ny fananahana : Mbola mila fiovana toe-tsaina goavana eto Madagasikara

10/07/2025 15:56 © Moov.Mg

Tsy mbola ampy fahalalana, ka tsy afaka manana safidy matotra manoloana ny fiainam-pananahana ny tanora malagasy. Nivoitra izany tao anatin’ny famelabelaran-kevitra, nandritra ny fanolorana ny tatitry ny UNFPA mahakasika ny toetry ny mponina ankapobeny maneran-tany ho an'ny taona 2025.

Tanora ny ankamaroan’ny malagasy

Ny olan'ny fananahana sy ny safidin'ny tsirairay eo amin'ny lafiny fiterahana sy fananana taranaka, no lohahevitr’ity tatitry ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) ity, ho an’ny taona 2025. Firenena miisa 14 no nanatanterahana ny fanadihadiana, izany hoe : ny ampahatelon’ny mponina maneran-tany. Tafiditra tao anatin’izany i Madagasikara. Ho antsika, dia nisafidy ny hirona bebe kokoa tany amin’ny tanora ireo tomponandraiki-panjakana sy ireo mpiara-miombona antoka, izay nanatrika ny lanonana fanolorana ity tatitra ity, ny talata 8 jolay lasa teo, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano.

Tanora latsaky ny 30 taona ny ampahany betsaka amin’ny mponina eto Madagasikara, hoy i Josiane Yaguibou solontena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara. Ireo tanora ireo anefa no mazàna tsy mahazo ireo fahalalana tokony ho fantany, mba hanampy azy handray fanapahan-kevitra tsara izay hiantoka ny ho aviny, hoy ny nambarany.

Fampandraisana andraikitra ny tanora

Mbola voatohintohina ny zon’ny tanora malagasy eo amin’ny lafiny fananahana, hoy kosa Ratsiharovala Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia, sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisankina. Araka ny fanehoan-keviny dia mbola sakana eto amintsika ny momba ny kolontsaina, satria manana ny fomba sy ny toe-tsaina nikolokoloana antsika isika Malagasy. Ohatra noraisiny ny mikasika ny firesahana ny fananahana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, izay mbola maro no mametraka azy ho fady sy mahamenatra. « Anjara andraikitry ny ray aman-dreny anefa ny mampahafantatra ny momba izany. Misy mantsy eto amintsika, 13 taona ny zazavavy dia efa mitondra vohoka. Fa na ny ankizilahy koa aza dia tokony ampahafantarina ny andraikiny », hoy izy. Satria anefa fanovana toe-tsaina goavana no hotanterahina, dia tsy maintsy tsikelikely no hanaovana izany, hoy ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny mponina.

Zava-dehibe ity tatitra navoakan’ny UNFPA ity, hoy ny rtoa Josiane Yaguibou, satria ny fahafantarana ny zava-misy dia hahafahana manampy ireo tanora hanao safidy voazava momba ny fotoana hitondrana vohoka sy hananana zanaka. Amin’izay fotoana izay dia afaka mijoro ho tomponandraikitra ny tanora ka ho mpandray anjara feno amin’ny hoavy ara-toekaren’ny firenena, araka ny fanazavany.

Lire la suite

Articles Similaires