Fanompoambe 2025 ao Mahajanga : Fanandratana ny kolontsaina Sakalavan'i Boeny
Manomboka androany alatsinainy 7 jolay ny Fanompoambe 2025, ary tsy hifarana raha tsy ny zoma 11 jolay : 4 andro fanandratana ny kolontsaina nentim-paharazana Sakalavan'i Boeny izay tena mbola voatahiry tokoa. Hetsika tohanan'ny Yas Madagascar.
Na eo aza ny fandrosoana sy ny karazam-pivavahana samihafa, mbola mitahiry ny fomban-drazany ny Sakalavan'i Boeny. Maresaka ny ao Mahajanga amin'ity herinandro ity, noho ny Fanompoambe 2025 izay tanterahina ao amin'ny Doany Miarinarivo, Tsararano Ambony. Tsara ny manamarika fa "Andro fady" ny andro talata, ka izay no mahatonga ny fankalazana ho 4 fa tsy 5 andro.
Hetsika ara-kolontsaina
Nanomboka tamin'ny fiafaran'ny volana jona dia efa nisy ny fombafomba nangatahin-dalana ny amin'ny fanataterahana ny Fanompoambe. Na izany aza, mbola mitohy hatrany ny fanajana ireo fomban-drazana, ka ireo rehetra miditra ny "Zomba" dia nidio teny amin'ny ranomasina teny Antsahabingo avokoa.
Tamin'ity andro fanombohana ity, nanapoaka basy ireo mpikarakara ho mariky ny fanombohan'ny fitampoha hoan’ireo Efa-dahy manan-kasina Mpanjakan’i Boeny. Ny Mpanjakaben'i Boeny, Dina Herimisy Guy, sy ireo fianakavian'ireo Ampanjaka Sakalava moa no mikarakara ny hetsika ara-kolontsaina io.
Tsy anavahana finoana na fiaviana ny fanatrehana izao Fanompoambe 2025 izao. Misy kosa nefa ny fepetra tokony hajaina, toy ny tsy fihinanana na fitondrana kisoa. Raha maniry hiditra amin'ny toerana misy ny Zomba, ao anaty fefin'ny Doany Miarinarivo, tsy tokony manao kilaoty na salaka. Tsy azo atao ihany koa ny manao satroka. Tsy tafiditra ny Zomba moa ny zaza sy ny vehivavy bevohoka na tonga fotoana. Mila "mitaly" (mirandrana) ihany koa ireo vehivavy rehetra.
Maromaro ireo fomba tsy maintsy hajain'ny tsirairay, mba tsy "hanota fady". Raha sanatria mandika fady mantsy dia iharan'ny dina, ka sady manao fombafomba "fifonana" no mandoa omby.
Hetsika ara-barotra
Ny fanandratana ny kolontsaina Sakalavan'i Boeny no tena votoanton'ny Fanompoambe 2025, ankoatra ny fanomezan-kasina ireo loharano nipoirana. Amin'ny hetsika goavana toy izao nefa no tena mahavory vahoaka, na avy eto Madagasikara na avy any ivelany. Vory lanona ao an-tampon-tanànan'i Mahajanga ihany koa ireo mponin'i Boeny amin'ny tanàna manodidina. Misy araka izany ny fanomezan-danja ny vokatra avy ao amin'ny faritra Boeny, indrindra ny asa tanana. Ahitana tranoeva fampirantiana marobe ao Tsararano Ambony. Amin'ny maha-lanonana mikasika ny fomban-drazana ny Fanompoambe, maromaro ireo mpivarotra fidiovana sy akora natoraly isan-karazany entina hitsaboana.
Koa satria hetsika mahavory vahoaka an'aliny ny ao Tsararano Ambony, manararoatra mitady vola ireo mpivarotra sakafo sy zava-pisotro isan-karazany. Maromaro mantsy ireo mijanona ao an-toerana mandra-pahatapitry ny hetsika.