Famatsiana : Misy tsy fahampian-drano 8 000m3 isan’andro ao Fianarantsoa
Tsy eto Antananarivo renivohitra irery fa miaina tsy fahampian-drano ihany koa ny tanànan’i Fianarantsoa. Raha ny tatitry ny filan-kevitra notanterahina tany an-toerana omaly dia ahitana tsy fahampian-drano hatramin’ny 8 000m3 isan’andro any an-toerana.
Fahanteran’ny fitaovana
Mbola mitovy amin’ny anton’ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo ihany koa no hiainan’ireo mponin’i Fianarantsoa ireo dia ny fahanteran’ny fitaovana. Raha ny fantatra mantsy dia fantsoana fitarihan-drano efa ela avokoa no miasa manerana ny Nosy ka hahatsapana ny vokatr’izay fahanterany izay.
Manoloana izany dia natolotra ny vahaolana amin'ny alalan'ny tetikasa PAAEP izay vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin'izany ny fanajariana sy fampitaovana ireo ivon-toerana mpamokatra rano, ny fanohizana ny asa fanamboarana ireo ivon-toerana ao Ankidoana sy Ambanimaso. Ny fanajariana ny ivon-toerana ao Andohabevava, Ankijana I sy II mba hahafahana mamokatra hatramin’ny 18 000m3 isan’andro. Eo ihany koa ny fanajariana sy fanamboarana tanteraka ireo fitahirizan-drano sy fantson-drano manerana ny tanàna. Raha tsiahivina dia hiasa hanatsara ny fahazoana rano fisotro madio ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Amoron’i Mania ihany koa ity tetikasa ity.
Lavadrano ho an’Ambositra
Ankoatra ireo fotodrafitrasa entina hamatsiana rano ao Fianarantsoa ireo dia hahazo ny anjarany ihany koa i Ambositra. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny asa fanamboarana “forages" sy ivon-toerana fanadiovana rano miisa dimy ao amin’ny distrikan'Ambositra. Hapetraka ao Tsileondrano, Morafeno, Ambohipierenana, Vatovory sy Ambohibary izany rehetra izany. Ankoatra ny rano avy amin’ny JIRAMA araka izany dia hirosoana indray ny fahazoana rano amin’ny fomba tsotra sy haingana hiantohana ny faharetany.
Raha tsiahivina dia vinan’ny Fitondrana ny hampisitraka rano fisotro madio ny Malagasy rehetra. Amin’izao fotoana izao dia mbola ny atsasa-manilan’ny Malagasy ihany no misitraka izany. Raha ny tatitry ny INSTAT ny taona 2024 dia 54.5% amin’ny Malagasy ihany no efa mahazo rano fisotro madio amin’izao fotoana izao. Raha ny zava-misy anefa dia mbola azo lazaina ho tsizarizary ihany koa izany.