Sambo AW : Roa herinandro izay no lasa, mbola tsy fantatra izay misy azy
Roa herinandro izay no lasa, fa mbola tsy hita popoka ilay sambo AW, niala tao Mahajanga ary tokony hihazo ny nosy Kaomôro, araka ny fanamarihana nataon’ny Goverinoran’ny Faritra Boeny, Mokhtar Salim Andriantomanga, androany 1 jolay 2025 vao maraina. Mbola mitohy ny fikarohana ity sambo ity.
Fikarohana nandaniana vola be
Araka ny tatitra nataon’ny Goverinoran’ny Faritra Boeny dia efa indroa izao no navoaka ny sambo Atsantsa, izay mpanara-maso ny sisin-tanin'i Madagasikara, mba hitady ity sambo AW ity. Ny tompon’ilay sambo tsy hita popoka, Abdallah Rosalie, niaraka tamin’ny ivon-toerana fanaraha-maso ny jono (CSP) ao Mahajanga, no niantoka ny solika lany nandritra izany, izay 7000 litatra isaky ny mivoaka ny Atsantsa, hoy ny fanamarihan’Atoa Mokhtar Salim Andriantomanga. Efa intelo nanofa fiaramanidina mpikaroka ihany koa ny tompon’ny sambo, araka ny fantatra, izay manodidina ny 8 790 000 ariary (1700 €) isan’ora ny hofany, nefa efa manakaiky ny adin’ny folo izay ny sidina vita. Araka izany, efa nandaniana vola be ny fikarohana ity sambo AW ity hatreto, saingy mbola tsy nahitam-bokany hatramin’izao.
Tsy tonga tany Kaomôro
Raha tsiahivina, dia niala tao Mahajanga ny alatsinainy 16 jona 2025 ny sambo AW, ary tokony hiantsona tany amin’ny seranan-tsambon’i Mutsamudu, any Kaomôro, fara-fahaelany, ny 19 jona 2025. Mitotaly ho 30 isa no olona ao anatin’io sambo io, araka ny nambaran’Atoa Mokhtar Salim Andriantomanga. Iray amin’ireo mpandeha tao anatiny ny zanaka vavin’ny tompon’ny sambo. Tsy misy intsony mihitsy ny fifandraisana amin’ity sambo ity amin’izao fotoana izao ary tsy misy ihany koa ny sori-dalana ahafahana mamantatra izay mety ho misy azy, araka ny voalazan’ny Goverinora. Nanamarika moa ity farany fa tsy sambany no nisy ny tranga tahaka izao fa misy ihany no tafaverina. « Mampahery anareo havan’ireo 30 eny ambonin’io sambo io izahay, satria Zanahary no mahefa », hoy ny namintinany ny tatitra nataony.