• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahantrana ara-tsakafo : Isan’ny antony mahatonga ny Malagasy ho fohy

30/06/2025 14:53 © Moov.Mg

Tsy ny fahefa-mividy ambany ihany no mahatonga ny Malagasy ho tsy ampy sakafo, fa ny tsy fahaizana misakafo ihany koa. Sokajiana ho fahantrana ara-tsakafo avokoa izany, ary mbola marobe amin’ireo ankizy malagasy no miaina ao anatin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, na mahery vaika.

Fahantrana ara-tsakafo, mahazo ny 24%-n’ny ankizy

Araka ny antontan’isan’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), dia tratran’ny fahantrana ara-tsakafo mahery vaika ny 24% amin’ny zaza Malagasy. Midika izany fa tsy mihinana afa-tsy karazan-tsakafo roa, amin’ireo vondron-tsakafo miisa valo ilaina ho amin’ny fitombony ara-batana sy ny fivelarany ara-tsaina, ny ampahefatry ny zaza malagasy.
Endrika fahantrana, mifototra amin’ny tsy fahazoana sakafo ara-dalàna, miovaova karazana sy ampy, araka ny filàna, ny atao hoe : fahantrana ara-tsakafo. Amin’ny ankapobeny, voasokajy ho fahantrana ara-tsakafo ny tranga iray, rehefa tsy ampy ny sakafo hanina, tsy misy ny vola hividianana izay sakafo sahaza sy ara-pahasalamana, ary tsy ampy ny otrikaina entin’ny sakafo hanina, fa izay hahafeno ny kibo fotsiny no atao.

Ady ho amin’ny fanjariantsakafo

Maro ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena no misehatra amin’ny ady ho amin’ny fanjariantsakafo eto Madagasikara. Isan’izany ny ny fikambanana tsy miankina Hery Atambatra ho Fampandrosoana (ONG HAFA). Tafiditra ao anatin’ireo raisin’izy ireo an-tanana ny ankizin’ny lalana. Asa ataon’izy ireo amin’izany ny fanabeazana ireo ray aman-dreny, izay ampahafantarina ireo sakafo mahasoa, mitondra otrikaina sy mahasalama. Misehatra eny anivon’ny sekoly ihany koa ny fikambanana, ka manabe ny ankizy mba hahafantatra ny ody am-bavafo tsara ho an’ny fahasalamana, mba ialana amin’ny haitraitra tsy mahasoa. Nomarihin’ny tale mpanatanteraky ny ONG HAFa, Saraha Enintsoa Hasiniaina, fa ny tsifanjariantsakafo no isan’ny mahatonga ny ankabeazan’ny Malagasy hanana toe-batana fohy, araka ny fikarohana natao. Ny sakafo ho an’ny zaza, amin’ny 1.000 andro voalohany hahavelomany, no tsy ara-dalàna, ka misy fiantraikany amin’ny fitomboana izany.
Nomarihin-dRaveloarinanja Marcelle Dominique, mpanorina ny Association Mentor ECCE, fa ny fahantrana, amin’ny ankapobeny, no mahatonga ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara. Ankoatra ny fahantrana ara-bola, dia misy olona manana fahefa-mividy, saingy tsy manana fahalalana ny amin’ny sakafo maroloko sy miovaova tokony hanina. Fahantrana ara-pahalalana izany. Ny fanabeazana ireo ray aman-dreny, mba hahalala ny karazan-tsakafo ara-pahasalamana mendrika ny fianakaviany, araka izany, no isan’ny asa sahanin’ny Mentor E.C.C.E.
Raha tsiahivina, eto Madagasikara dia mitaha any amin’ny 47% ny tsifanjariantsakafo mitarazoka raha any amin’ny 7% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika.

Lire la suite

Articles Similaires