Afomanga eny Ivato : Hisy fiatoana ny fiaingana sy fahatongavan'ny sidina ny takarivan'ny 25 jona
Eny amin'ny Lac Iarivo Ivato no hanatanterahana ny Afomanga, ny takarivan'ny 25 jona, amin'ny fankalazana ity fetim-pirenena 2025 ity.
Tsy eny Anosy tahaka ny mahazatra ny hanapoahana ny Afomanga amin'izao fankalazana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantena izao. Eny amin'ny Lac Iarivo Ivato, tanàna vaovao eto Antananarivo, no handefasana ny Afomanga.
Fandaminana ireo sidina nasionaly sy iraisam-pirenena
Hisy fiatoana ny fivezivezen'ny fiaramanidina ny takarivan'ny 25 jona ho avy izao. Tsy hisy fiatoana na fahatongavana mihitsy eo anelanelan'ny amin'ny 7 ora latsaka folo minitra (18h50) hatramin'ny 8 ora sy folo minitra (20h10). Efa samy mandamina ny fandaharam-potoan'ny sidiny rehetra ireo kaompaniam-pitaterana an'habakabaka miasa eto Madagasikara.
Noho izany indrindra, asaina ireo mpandeha mikasa handray ny sidina nasionaly na iraisam-pirenena mba handamina mialoha ny famonjena ny Seranampiaramanidina, indrindra ireo hanao ny "enregistrement" ny alin'ny 25 jona. Ho marobe mantsy ny olona hifamezivezy eny amin'ny manodidina, ka mety hisy mihitsy ny fitohanan'ny fiara, na ny avy eny amin'ny lalam-baovao na ny avy eny Talatamaty. Mila miomana ihany koa ireo mpandeha ho tonga eto Antananarivo raha tonga harivariva, manomboka amin'ny 5 ora hariva any ho any, satria mety efa ho feno mpijery Afomanga ny lanana.
Fandaminana ireo mpanao arendrina
Asaina avokoa ny rehetra hijery Afomanga eny amin'ny Lac Iarivo Ivato. Malalaka tsara ny toerana ka tsy misy ahiana na ny fijanonan'ny fiara na ny olona. Hisy fandaminana manokana moa mba hiarovana ireo mpanao arendrina, satria eny amin'ny lalambe migodana no misy ny toerana.
Ampahatsiahivina ny tsy fahafahana mampiasa ny "Laser maitso" eny Ivato sy ny manodidina. Mety hampididoza ny fitsilovana ireo fiaramanidina amin'ireny jiro ireny, mialoha, mandritra ary aorian'ny fetim-pirenena.