Sambo A.W : Mbola tsy hita popoka, misy mpandeha malagasy 14 isa any anatiny
Nandrasana ho tonga tany amin’ny seranan-tsambon’i Mutsamudu, any Kaomôro, ny 19 jona lasa teo, fara-fahatarany, ny sambo malagasy mitondra ny anarana hoe A.W, rehefa niala tao Mahajanga ny alatsinainy 16 jona 2025. Tsy tonga, araka ny fotoana niandrasana azy anefa izany sambo izany ary mbola tsy hita popoka mandrak’izao.
Sambo nitondra mpandeha 19 isa
Araka ny fantatra dia mpandeha 19 isa no nentin’ity sambo ity, ka tera-tany malagasy ny 14, tera-tany kaomôrianina ny 4 ary olona avy ao Afghanistan ny iray. Lehilahy avokoa izy ireo, afa-tsy ny tovovavy iray, izay zanaka vavin’ny tompon’ny sambo. Ny minisitry ny fitaterana komôrianina, Hassane Alfeine Yasmine, no nilaza fa efa nohetsehina avokoa ireo sampan-draharaha rehetra momba ny famonjena voina eto amin’ny fari-dranomasimbe Indianina. Nanainga ny manam-pahefana voakasika rehetra ny governemanta kaomôrianina raha vao naheno ny zava-nitranga, hoy izy. Isan’izany ny zandary, ireo mpiandry sisin-tany sy ny mpisehatra isan-tsokajiny, mba hanampy amin’ny fikarohana.
Mandeha ny fikarohana
Isan’ny nalefa hikaroka ity sambo tsy hita popoka ity ny sambo Atsantsa, izay mpanara-maso ny sisin-tanin’i Madagasikara, saingy tsy nahita vokatra hatreto. Nitodi-doha niverina, namonjy ny moron-tsirak’i Madagasikara izy, omaly, mba hanampy solika, ary heverina ny mbola hiverenany hanampy tosika ny fikarohana, manomboka androany, araka ny fampitam-baovao. Raha ny fantatra ihany koa dia efa misy fiaramanidina mandray anjara amin’ny fikarohana ity sambo ity, avy ao Mayotte.
Abdallah Rosalie no voalaza fa anaran’ny tompon’ity sambo ity. Zanany vavitokana ilay vehivavy nandeha tamin’ilay sambo. Isan’ireo mpandeha ihany koa ny rahalahiny, hoy ny fampitam-baovao. Hatramin’ny ora nanoratana dia tapaka tanteraka ny fifandraisana tamin’ity sambo ity ary tsy fantatra izay mety ho nanjo azy.