• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © Wwf Madagascar
Image
Vaovao

Famerenana ny ala honko : Mandray anjara feno ny vehivavy ao Antsohimbondrona, Ambilobe

23/06/2025 12:21 © Moov

Mandray anjara feno amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny ala honko ao Antsohimbondrona, ao amin’ny Helodranon’Ambaro, distrikan’Ambilobe, ny vehivavy eny an-toerana. Raha ny taona 2024 dia vehivavy miisa 142 no niara-niasa tamin’ny tany mirefy 41.35Ha.

Vehivavy miasa amin’ny fiarovana ny harena voajanahary

Maro amin’ny lehilahy ao an-toerana no misafidy ny hitady asa any an-dranomasina na amin’ny orinasa. Manoloana izany dia ny vehivavy indray no manolo-tena hifanolo-tanana amin’ny fiarovana ny natiora. I Alima, renim-pianakaviana tokantena, dia anisan’ireo nanokan-tena ho mpikambana mavitrika ao amin’ny fikambanana. Eo amin’ny sehatry ny fitantanam-bola sy amin’ny fanabeazana ny mpiara-monina ao amin’ny Vondron’olona Miara-mitahiry Vola (GEC), dia manabe sy mampiofana ny vehivavy amin’ny fitantanam-bola, izy. Etsy ankilany dia manao fanaraha-maso amin’ny fiarovana ala honko ihany koa ny tenany. Andraikiny ao anatin’izany ny manara-maso ny halatra trondro sy ny fanafintohinana mianjady amin’ireo harena any anatin’ny ala. “Mahita olona maka foza mbola tanora amin’ny fitaovana tsy manara-dalàna izahay. Raha tsy misy vehivavy mahasahy miaro dia mety ho lany tanteraka ny harena anaty honko,” hoy izy.

Vehivavy tarihin’ny finiavana

Soatombo, renim-pianakaviana tokantena ihany koa, dia anisan’ny vehivavy nanatevin-daharana ny hetsika famerenana ala honko hatramin’ny taona 2018. Na tsy ao anatin’ny ekipa mpanara-maso aza izy, dia manolo-tena manakana mivantana izay olona mandika lalàna. “Te hiaro ny harena ho an’ny taranaka ho avy aho. Tsy maintsy ampahatsiahivina amin’ny hafa foana fa adidin’ny rehetra, na lehilahy na vehivavy, ny fiarovana ny zava-boahary,” hoy izy. Ny herim-pon’ireto vehivavy ireto no antony mahatonga an’Antsohimbondrona ho mbola ohatra tsara amin’ny fiarovana sy famerenana ny ala honko eto Madagasikara, hoy ny WWF Madagasikara, izay mpanohana akaiky azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires