• Cours de change
  • 5078.06 AR
  • |
  • $4431.23 AR
Copyright Image : © Haka Fy
Image
Vaovao

« Haka Fy Tsiro » - Chef Henintsoa Moretti : Boky momba ny nahandro afrikanina tsara indrindra manerantany

19/06/2025 13:34 © Moov.Mg

Notolorana ny loka « Best African Cuisine Book in the World », ilay boky momba ny nahandro « Haka Fy Tsiro » nosoratan’ny Chef Henintsoa Moretti, nandritra ny Fihaonana an-tampony manerantany momba ny sakafo (Sommet mondial de l'alimentation), izay notontosaina omaly 18 jona 2025, tany Cascais Portugal.

Boky manome lanja ny sakafo malagasy

Ny Gourmand Award Cook Books no nisafidy ny « Haka Fy Tsiro » ho boky momba ny nahandro afrikanina tsara indrindra manerantany (Best African Cuisine Book in the World). Nandritra ny fotoana nanolorana ny loka, tao amin’ny Centre des Congrès d’Estoril, dia nankasitraka manokana ny Chef Henintsoa Moretti, i Édouard Cointreau, filoha mpanorina ny Gourmand Awards, noho ny nanomezany lanja ny tena maha-izy azy ny sakafo tena Malagasy. Nambarany, fa maneho ny maha-harembakoka ny nahandro malagasy, ity boky mitondra ny lohateny hoe : Haka Fy Tsiro ity.
Raha tsiahivina dia nanatanteraka fikarohana lalina tany amin’ny faritra maherin’ny 20 manerana an’i Madagasikara ny Chef Henintsoa Moretti, tao anatin’ny tetikasa izay nomeny ny anarana hoe « Lakozia Mitety Faritra ». Taorian’ny telo taona izay nanadihadiany ireo renibe, mahalala ny tsiambaratelon’ny tsiron’ny nahandro malagasy, dia namoaka ity boky Haka Fy Tsiro ity izy, tamin’ny taon-dasa. Mialoha izay moa dia efa nanangana ny trano fisakafoanany, mitondra ny anarana hoe : Haka Fy, ny Chef Henintsoa Moretti.

Fifaninanana iraisam-pirenena

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia tsy adinon’ny Chef Henintsoa Moretti ny nisaotra ireo vehivavy, izay nanaiky nizara ny fomba fahandro tena malagasy, ka nahafahany nanatontosa ity bokiny ity.

Niorina tamin’ny taona 1995 ny Gourmand Awards, izay hany fifaninanana iraisam-pirenena manolotra loka ho an’ny famoaham-boky izay miompana manokana amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro. Maimaim-poana ny fandraisana anjara amin’izany fifaninanana izany, ary misokatra ho an’ny firenena rehetra, na inona na inona ny teny nanoratana ny boky. Firenena mihoatra ny 200 isa no mandray anjara amin’izany isan-taona.

Lire la suite

Articles Similaires