Andron’ny Ranty Vokatra : Horaisin’ny Kaominina Mahitsy ny andiany fahadimy
Hotanterahina ny 20 sy 21 jona ho avy izao ny Andron’ny Ranty Vokatra, izay karakarain’ny Tranoben’ny varotra sy ny indostria Antananarivo (CCIA).
Taorian’Anjozorobe ny taona 2024 dia ny Kaominina Mahitsy indray no handray ity andiany faha-dimy ity. Tanjon’ny hetsika ny hampivoarana sy hampahafantarana bebe kokoa ireo mpandraharaha eny ifotony.
Fampiroboroboana ny fandraharahana
Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny CCIA, izay manohana ny orinasa madinika sy tena kely ary salantsalany (MTPMEs), ity fitetezam-paritra amin’ny alalan’ny fikarakarana isan-taona ity Ranty Vokatra ity. Ireo distrika miisa 8 ato anatin’ny faritra Analamanga no voakasika manokana.
Nosafidiana manokana i Mahitsy, izay any amin’ny 30km Andrefan’Antananarivo, amin’ity andiany vaovao ity noho ny tanjaka ara-toekarena, indrindra eo amin’ny fambolena, fiompiana ary ny famokarana trondro. Malaza hatramin’izay izy ohatra amin’ny famokarana voatabia, ny vary, ny legioma ary ny hanin-kotrana. Manamafy izany fa manana finiavana sy fazotoana amin’ny lafiny famokarana ireo mponina ao, hoy ny fanazavana. Miara-miasa amin’ny AGRIVET sy ny ARINORO SARLU ny CCIA amin’ny fanatanterahana ny hetsika izay mikendry fampandrosoana ho an’ireo olon-tsotra sy mpandraharaha eny ifotony.
Sehatra iray hifanakalozana sy hanamafisana fifandraisana
Hetsika telo lehibe no hifantohan’ny Ranty Vokatra 2025. Ao anatin’izany ny varotra fampirantiana mampivondrona ireo mpampiranty miisa 35 avy amin’ny sehatra samihafa. Hanampy izany ny fihaonana BtoB eo amin’ny mpamokatra sy ny mpividy na ny fampifanantonana azy ireo, ary ny atrikasa sy famelabelaran-kevitra miompana amin’ny fandraharahana eto an-toerana. Ankoatra izany anefa dia hisy hetsika ara-kolontsaina sy fialamboly mandritra ireo roa andro ireo.
Voalazan’ireo tompon’andraikitra fa ny tanjona dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, hanatsarana ny fanapariahana ny vokatra ary hitondrana ny anjara biriky amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto an-toerana sy isam-paritra. Isan’ny vinan’ny CCIA ao anatin’izany ny hampitombo ireo mpampiasa vola ao Mahitsy
Maherin’ny 10.000 ny mpitsidika andrasana ho avy amin’ny hetsika ary tafiditra ao avokoa ireo avy any Mahitsy sy ny manodidina.