• Cours de change
  • 5078.06 AR
  • |
  • $4431.23 AR
Copyright Image : © Le Dauphiné Libéré
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Azo asolo ny siramamy hono ny tantely ?

19/06/2025 11:14 © Moov.Mg

Miteraka vokadratsy maro eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana ny fihinanana siramamy. Noho izany dia maro ireo miezaka tsy mihinana azy ireny intsony. Misy ihany koa ireo mikaroka sakafo hafa hanoloana ny siramamy ka anisan’ny re matetika ny tantely. Mitombona tokoa ve ny fiheverana fa fomba mahasalama azo asolo ny siramamy ny tantely ?

Tantely sy siramamy : tsy mitovy ny singa entiny izy ireo

Ny siramamy dia mitahiry « saccharose » amin’ny tahany 99,9%. Ny « saccharose » dia « glucide » mampiakatra haingana be ny tahan’ny siramamy anaty rà na ny atao hoe « glycémie ». Tsy mitondra otrikaina ilain’ny vatana moa izy io.
Etsy andaniny, ny tantely dia fifangaroana natoralin’ny « fructose » (40%), « glucose » (30%), rano sy mineraly amin’ny fatrany kely, vitamina, « antioxydants » ary « enzymes ». Noho ireo fangaro hita ao aminy ireo dia azo lazaina fa manankarena otrikaina kokoa ny tantely raha mihoatra amin’ny siramamy.

Manamamy kokoa nefa tsy mampiakatra be loatra ny « glycémie »

Ny tantely dia manana fiasa manamamy ambony kokoa (30%) raha oharina amin’ny siramamy. Izany hoe kely kokoa ny fatran’ny tantely ampiasaina mihoatra ny siramamy hahazoana hamamiana mitovy. Ankoatra izay dia ambany ny « index glycémique » ny tantely ka tsy mampiakatra be tampoka ny tahan’ny siramamy ao anatin’ny rà toy ny ataon’ny siramamy izy io.
Marihana kosa nefa fa mbola voasokajy ho sakafo mamy mitahiry « sucres rapides » ihany ny tantely. Noho izany dia mety mampiakatra ny tahan’ny siramamy anaty rà izy io, indrindra raha be loatra ny hoanina na koa hoe misy diabeta ilay olona mihinana azy.

Mila hoanina amin’ny antonony

Mitahiry « antioxydants » sy singa maro tsara ho an’ny vatana nefa tsy hita anatin’ny siramamy ny tantely. Anisan’izany ny « polyphénols » izay voalaza fa manampy amin’ny fiarovana ny fo sy ny « métabolisme ». Na izany aza nefa dia tsara ny manamarika fa be kaloria, mihoatra ny siramamy mitovy fatra aminy, izy io ka ilaina hatrany ny famerana ny fihinanana azy.
Raha fintinina dia tsy azo lazaina hoe fomba mahasalama azo asolo tanteraka ny siramamy ny tantely. Marina fa mitondra otrikaina ilain’ny vatana kokoa izy io raha oharina amin’ny siramamy, nefa kosa mila ferena ny fihinanana azy. Izany hoe afaka ampiasaina hanamamiana ny sakafo na zava-pisotro izy indraindray fa tsy azo raisina hoe sakafo mahasalama azo hoanina matetika sy betsaka. Mba hitandrovana ny fahasalamana dia tsara hatrany ny mametra ny fihinana siramamy, ary tafiditra anatin’izany ny tantely !

Lire la suite

Articles Similaires