• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Santé Sur Le Net
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanampoizinana ara-tsakafo : mila mitandrina hatrany satria mety mahafaty

18/06/2025 13:11 © Moov.Mg

Ny fanampoizinana ara-tsakafo na « intoxication alimentaire » dia aritena avy amin’ny sakafo mateti-pitranga vokatry ny fihinanana sakafo na fisotroana zava-pisotro voaloton’ny bakteria, viriosy, katsentsitra, poizina na singa simika. Mety ho sitrana ho azy izy io nefa koa mety hampisy fahasarotana ara-pahasalamana izay mety mitarika amin’ny fahafatesana, indrindra eo amin’ny olona marefo.

Ireo antony matetika mety mahatonga fanampoizinana ara-tsakafo

Ny « contamination » ny sakafo na ny fahazoana ireo loto mitarika fanampoizinana ara-tsakafo dia mety mitranga eo amin’ny dingana rehetra amin’ny fikirakirana azy ireny, manomboka amin’ny fambolena na famorakara azy ka hatramin’ny fikarakarana azy ao an-trano. Anisan’ireo antony matetika mahatonga ny fanampoizinana ara-tsakafo ary ny :
-Bakteria toy ny « salmonelle », « listeria », « Campylobacter »… Ao anatin’ny hena manta na tsy masaka tsara, ny atody, ny vokatra avy amin’ny ronono tsy « pasteurisés » ary ny voankazo sy legioma tsy voadio no mety misy azy ireny.
-Viriosy. Ny « norovirus » sy ny « rotavirus » no isan’ny matetika mahatonga fanampoizinana ara-tsakafo avy amin’ny viriosy. Ny fikirakiran’ny olona mitondra tsimokaretina tsy nanasa tanana tsara ireo sakafo moa no mety mamindra ireo otrikaretina ireo.
-Katsentsitra. Tsy dia fahita firy nefa tena mety mandoza ny fandotoan’ny katsentsitra ny sakafo na ny zava-pisotro. Anisan’ireo katsentsitra ireo moa ny « toxoplasma gondii », « giardia » sy « cryptosporidium » izay mety hita anatin’ny rano voaloto na sakafo tsy masaka tsara.
-Poizina na « toxines ». Misy bakteria sasany mamokatra « toxines » ka na dia efa potika nandritra ny fandrahoana ny sakafo aza izy ireo dia mety mbola velona sy miteraka fanampoizinana ara-tsakafo ihany. Isan’ireo bakteria ireo ohatra ny « clostridium botulinum » izay mahatonga « botulisme ».
-Singa simika. Ny « pesticides », ny « métaux lourds » toy ny « mercure » anaty trondro sasany, ny vokatra fanadiovana tsy voakobana tsara… dia mety handoto ny sakafo ihany koa.

Ireo soritr’aretin’ny fanampoizinana ara-tsakafo

Mety ho samihafa ny fisehon’ny fanampoizinana ara-tsakafo, miankina amin’ny antony mahatonga azy io. Amin’ny ankapobeny dia aorian’ny ora vitsy hatramin’ny andro maromaro aorian’ny nihinanana ilay sakafo voaloto no mitranga ny soritr’aretina toy ny :
-Maloiloy ;
-Mandoa ;
-Mivalana (matetika mitsiranoka ary indraindray misy rà) ;
-Mangotika sy misy krampy ny kibo ;
-Manavy ;
-Marary andoha ;
-Malemilemy sy vizaka.
Eo amin’ireo tranga sarotra dia mety ho tratry ny tsy fahampiana rano lalina, « troubles neurologiques », « insuffisance rénale »…

Fomba fisorohana

Ny fisorohana no fomba azo antoka indrindra hiadiana amin’ny fanampoizinana ara-tsakafo. Ilaina ny mitandro tsara ny fahadiovana sy mitandrina hatrany rehefa mikirakira sakafo :
-Sasana tsara amin’ny rano sy savony ny tanana, mialoha sy aorian’ny fikirakirana sakafo, indrindra rehefa avy nikarakara hena manta, akoho na vorona, trondro na atody. Sasana tsara ihany koa ny voankazo sy ny legioma. Diovina matetika ny latabatra sy ny fitaovana ampiasaina hikarakarana ny sakafo.
-Sarahana tsy atao mifampikasoka na mifangaro ny sakafo manta (hena, hazan-drano) sy ny hani-masaka na vonona hoanina. Mampiasa fitaovana fitetehana (planche, antsy) samihafa rehefa mitetika hena manta sy sakafo hafa. Sasana tsara isaky ny avy ampiasaina izy ireny.
-Masahana tsara amin’ny hafanana antonony ny sakafo mba hamonoana ny bakteria, indrindra ireo sakafo toy ny hena, akoho, vorona na trondro. Hafanaina tsara foana ny ambin-tsakafo alohan’ny hinanana azy.
-Ampidirina anaty vata fampangatsiahana ny ambin-tsakafo. Tsy tsara apetraka ivelan’ny vata fampangatsiahana mihoatra ny adiny 2 ora ny sakafo masaka.
-Raha misy ahiana ny kalitaon’ny sakafo iray eny amin’ny mpivarotra dia aleho tsy mihinana izany.

Oviana no tokony manantona mpitsabo ?

Amin’ny ankapobeny dia misinda ho azy ao anatin’ny 2 andro ny soritr’aretin’ny fanapoizinana ara-tsakafo rehefa avy naka aina sy nisotro rano tsara. Mila manantona mpitsabo avy hatrany kosa raha toa ka :
-Mafy be ireo soritr’aretina, toy ny hoe mandoa be na mivalana be ;
-Misy fambara tsy fahampiana rano (déshydratation), toy ny hoe mihena ny pipy, maina ny vava, fanimpanina ;
-Manavy be ;
-Misy rà ny fivalanana ;
-Manana toe-batana marefo, toy ny ankizy kely, beantitra, bevohoka, malemy ny hery fiarovana ;
-Mahatsapa soritr’aretina « neurologiques », toy ny hoe manjavozavo ny fahitana, sahirana miteny, malemy ny hozatra…

Lire la suite

Articles Similaires