• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

CEPE 2025 : Andrasana rahampitso 19 jona ny voka-panadinana voalohany

18/06/2025 15:10 © Moov

Efa miomankomana amin'ny famoahana ny "Résultats CEPE 2025" ny CISCO maromaro eto Madagasikara.

Tontosa omaly talata 17 jona ny CEPE 2025. Nizotra am-pilaminana ny fanadinana, ary tsy nahitana olana firy. Miisa 571 367 ireo ankizy niatrika ity fanadinana ity manerana an’i Madagasikara.

Fitsidihana

Teny amin'ny "Centre d'examen" CEG Avaradrova Antananarivo no nanatanterahan'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Michelle, fitsidihana. Nitsodrano ny ireo mpiadina ny tenany, sady nankasitraka ireo tompon'andraikitra ny amin'ny fifanomezan-tanana mialoha, mandritra ary aorian'ny fanadinana. Somary nangatsiatsiaka ny andro, saingy efa niomana tamin'ny akanjo mafana sy ny kojakoja fiarovana isankarazany ireo ankizy mpanala fanadinana.
Amin'ny ankapobeny, ny "Problème" no somary nanahirana ireo mpiadina, indrindra tany amin'ny faraparan'ny laza adina. Nisy ihany koa ireo nanambara fa nisy tsy tadidy kely ny valim-panontaniana tamin'ny taranja "Géographie" sy "TFM".

Valim-panadinana

Tamin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity, ny isaky ny CISCO no nikarakara ny fanadinana CEPE. Samy nanana ny laza adina araka izany ny CISCO tsirairay. Mora kokoa ny fitsarana ny taratasim-panadinana, sady tsy misy fivezivezena firy, ka haingana tokoa ny fikirakirana ny vokatra. Ho an'ny CISCO Analalava, DREN Sofia, hivoaka rahampitso 19 jona ny valim-panadinana. "Tsy ampiandrasina efa ireo ray aman-dreny sy ireo mpianatra efa dodona hahafantatra ny voka-panadinana. Efa manatanteraka ny ezaka rehetra mifanandrify amin'izany ireo mpampianatra mpitsara sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny", araka ny nambaran'ny Chef CISCO any an-toerana, Romuald Amine Andrianantenaina.
Heverina fa hivoaka amin'ity herinandro ity ny voka-panadinana ho an'ny CISCO rehetra manerana an'i Madagasikara. Misy amin'ireo ray aman-dreny no efa manomana fanomezana ho an'ny zanany, indrindra moa fa efa manakaiky ny fetim-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires