• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ady amin’ny fiangazanana : Ny 15,36% amin’ny velaran-tany eto Madagasikara no simba

17/06/2025 16:31 © Moov.Mg

Araka ny antontan’isa avy amin’ny WWF, dia ny 40 % n’ny velaran-tany maneran-tany no efa simba amin’izao fotoana izao. Isan’ireo firenena tena voakasiky ny fiangazanan’ny tany i Madagasikara, satria ny 15,36% amin’ny velaran-tany eto amintsika no voakasiky ny fahasimbana.

Fiangazanana mitera-doza

Napetraky ny Firenena Mikambana ho andro eran-tany iadiana amin’ny fiangazanana sy ny haintany ny 17 jona. Lohahevitra voizina amin’ity taona 2025 ity ny hoe : "Fanarenana ny tany simba, tombontsoa maharitra iombonana". Ho an’i Madagasikara dia efa maherin’ny 9 tapitrisa hektara ny velaran-tany simba. Faritra 13 manerana ny Nosy no miaina izany fiangazanana sy hain-tany izany, dia i Boeny, Melaky, Betsiboka, Menabe, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Ihorombe, Matsiatra Ambony, Anosy, Androy, Amoron’i Mania, Vakinankaratra ary Bongolava. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, dia ny faritra Atsimon’ny Nosy no tena efa miaina fiangazanana sy haintany, vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ny fisian’ny tranga ara-toetr’andro El Niño sy ny tiomena, ary indrindra koa noho ny tsindry ateraky ny fanimbana ataon’ny olombelona, toy ny fandripahana ala sy ny doro-tanety, izay mitarika fifindra-monina.

Mitera-doza ho an’ny zanak’olombelona ity fahasimban’ny tany ity, satria ny tany no manome sakafo, mandrindra ny toetr’andro, mameno indray ny tahirin-drano ao anaty tany. Ny tany rahateo no fonenan’ny zavamananaina isan-karazany.

Fanarenana ny tontolo

Manoloana izany dia miara-miasa amin'ireo mponina eny ifotony, amin'ny fanarenana ireo tontolo manodidina sy ny ala (restauration des paysages forestiers) ny WWF. Tanjona ny hahafahana manamafy ny fahaiza-miatriky ny mponina, ny fanohanana ny fiveloman’ny mponina sy ny famerenana indray amin’ny toeram-ponanany ireo karazanjavamananaina.

Ny Fanjakana malagasy kosa dia efa tamin’ny taona 1997 no nanasonia ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny ady amin’ny fiangazanana (CNULCD), ary nametraka ireo politika sy paikady stratejika entina miatrika ny fiangazanana sy ny haintany. Tanjona ny hanarenana ny tontolo voajanahary, hanamafisana ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajanahary, ary hanetsika ny fiarahamonina hifantoka amin’ny vahaolana maharitra, hoy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy.

Lire la suite

Articles Similaires