Festival Dona-Be : Fampisehoana, foara, hetsika ara-panatanjahantena… ao an-drenivohitr’i Sofia
Hiavaka noho ireo andiany roa teo aloha, ny andiany fahatelo amin’ny Festival Dona-Be, ho an’ity taona 2025 ity. Ny Faritra sofia iray manontolo no homena lanja, mandritra ny 4 andro hanatanterahana ny hetsika.
Festival Dona-Be andiany fahatelo
Ny 24 hatramin’ny 27 jolay 2025 no hanatanterahana ny andiany fahatelo amin’ny Festival Dona-Be, any Antsohihy, Faritra Sofia. Raha tsiahivina dia Rajaosalama Stéphanoelson Hervé, fantatra amin’ny anarana maha-mpanakanto azy hoe : Dadi Love, no angady nananana sy vy nahitana ity hetsika ity. Araka ny fanazavany, dia toerana nahaterahany ny ao Antsohihy. « Tia « ambiance » sy tia fialamboly » ny olona any, hoy izy, nefa efa tsy nisy intsony ireo karazana « festivals » natao tany aloha. Izay no antony namoronany ny Festival Dona-Be, izay tsy mijanona ho an’ny Distrikan’Antsohihy fotsiny, fa mivelatra ho an’i Madagasikara iray manontolo mihitsy.
« Dona-Be » kosa no anarana nomena ny hetsika, noho i Antsohihy tanàna fandalovan’ireo olona marobe avy amin’ny Faritra sy Distrika isan-karazany. « Tanàna ifandonan’ny olona marobe avy amin’ny lafivalon’ny Nosy », hoy i Dadi Love.
Seho sehatra sy fanatanjahantena
Hampiavaka ny Festival Dona-Be amin’ity indray mitoraka ity ny fisian’ny foara, izay hanomezan-danja ireo seha-pihariana mampiavaka ny Faritra Sofia, ivon’ny kolontsaina Tsimihety. Tanjona ny hampifandraisana ny mponin'ny Faritra rehetra, ao anaty hetsika iray. Nanao ezaka manokana ihany koa ny mpikarakara, eo amin’ny lafiny haingon-tsehatra sy fanamafisam-peo. « Zavatra mbola tsy fahita any amin’ny Faritra Sofia » no ho hita ao, hoy ny fanazavana.
Alim-pandihizana hafanain’i Din Rotsaka no hanokafana ny Festival Dona-Be andiany faha-3, ny 24 jolay 2025, harahin’ny fifidianana ireo tovovavy tsara tarehin’ny Faritra Sofia, na ny « Miss Dona-Be ». Hisy ihany koa ny « carnaval » mamakivaky ny tanàna, ny fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny hazakazaka am-bisikileta, ny fifaninanana hazakazaka, ny « basket ball » hitiliana ireo tanora manan-talenta any an-toerana, fa indrindra ny morengy, izay kolontsaina manana ny maha-izy azy eo amin'ny Faritra Sofia.
Hetsika mampifandray ny malagasy
Eo amin’ny lafiny ara-kolontsaina dia hifanesy hiaka-tsehatra, mandritra ny telo andro, ireo mpanakanto isan-karazany, izay nokendrena mba hisolo tena ireo Faritra maro eto Madagasikara. Samy hahazo fahafaham-po avokoa, na ireo efa nahazo taona, na ny tanora, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Isan’ny ho hita eny an-tsehatra i Dadi Love, mpamorona ny hetsika, Maman’i Tsôlôlô, Arnaah, Mopcaan, Basta Lion, Zandry Ahmed, Dirio…
Amin’ny maha-masoivohon’ny Yas Madagascar an’i Dadi Love dia manohana tanteraka ny Festival Dona-Be andiany faha-3 any Antsohihy ity orinasan-tserasera ity. Efa niray lalana nanomboka tamin'ny andiany voalohany rahateo ny roa tonta, satria mitovy ny tanjona, dia ny fampifandraisana ny Malagasy.