Fahapoizinana ara-tsakafo : Mitombo hatrany ny isan'ireo maty
Hatramin'ny omaly alina, miisa 12 ireo namoy ny ainy, noho ny fahapoizinana ara-tsakafo. Ny maraina teo, tafakatra 14 izany isa izany. Samy namonjy fety fankalazana "Anniversaire" teny Ambohimalaza Imerikasinina avokoa izy ireo.
Raha tsiahivina, ny takarivan'ny sabotsy 14 jona lasa teo no nisy fankalazana tsingerintaona nahaterahana teny Ambohimalaza Imerikasinina. Ny alin'io ihany dia efa nisy nanobmoka tsy salama, raha ny alahady vao tena saika nanantona toeram-pitsaboana avokoa ireo voaasa.
Antontan'isa
Araka ny tatitra navoakan'ny HJRA, ny alin'ny 16 jona, 12 ireo namoy ny ainy, ka 9 ireo maray notsaboina tao an-toerana. Miisa 3 kosa ireo notsaboina tany an-toeran-kafa : ny iray tao Andohatapenaka, ny iray tao amin'ny CENHOSOA Homi Soavinandriana ary ny iray tamina toeram-pitsaboana tsy miankina. Ny marainan'ny 17 jona, tafakatra 14 ny isan'ireo maty.
Maherin'ny 10 moa ireo misedra fahasarotana. Efa misy marary maherin'ny roapolo kosa tsy misy atahorana intsony ny ainy, saingy mbola mitohy hatrany ny fitsaboana. Mitovitovy avokoa ireo tranga niseho tamin'ireo marary : nandoa maitso, fanina ary miha-tsy mahita avy eo. Saika sempotra avokoa ireo misedra fahasarotana. Manahy famosaviana ny sasany amin'ireo fianakaviana satria nandoa zavatra mainty, nivoaka farora-bava fotsy ary nibontsina be ny kibon'ny havan'izy ireo.
Marihana fa raisin'ny Fanjakana an-tanana manontolo ny fitsaboana ireo niharam-boina rehetra. Nitsidika ireo tsy salama moa ny Minisitry Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Filaminana anatiny, ny Minisitra delege misahana ny Zandarimaria ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Fepetra
Nitondra sakafo ireo mpanao fety. Na izany aza dia nisy ny fikarakarana tsy maintsy natao tao amin'ilay toeram-pilanonana. Noho izany indrindra, misy ny fizahana ifotony tanterahin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny varotra. Araka ny hita tamin'ireo sarin'ilay lakozia navokan'izy ireo, tsy manaja ny fahadiovana firy ilay toeram-pilanonana. Etsy ankilany, mitohy ny fanadihadihana ataon'ireo mpitandro ny filaminana.
