Mampahatsiahy ny CUA : Mahavoasazy lamandy 50.000 Ar ny tsy fahadiovan’ny toeram-ponenana
Ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny niverenan’ny fahaleovantena isika ankehitriny, ary isan’ny fomba entina manamarika izany ilay fifaninana nasiônaly « Tanàna Madio » andraisan’ireo renivohi-paritra 24 manerana an’i Madagasikara anjara. Ho an’Antananarivo renivohitra manokana, dia ny fandraisana andraikitry ny tsirairay no isan’ny entanina, mba hananana izay tanàna madio, maitso sy maha-te honina izay.
Mariky ny fitiavan-tanindrazana
Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no renivohitry ny Faritra Analamanga, ankoatra ny maha-renivohitr’i Madagasikara azy. Araka izany, be mponina izy ary mifanaretsaka eto avokoa ireo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy rehetra. Samy tomponandraikitra amin’ny fahadiovan’ny tanàna ireo mponina rehetra eto amin’ity tanàn-dehibe ity, araka ny fampahatsiahivan’ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo. Adidy iombonan’ny olom-pirenena ny mikojakoja sy manadio ny manodidina ny toeram# ponenany, hoy ny fanentanana. Tafiditra ao anatin’izany ny sisin-dalana, ny fidirana sy ny tokontany, ny lava-drano, ny rindrina ivelany, ary ny toerana iombonana amin’ny manodidina. « Asa tsotra, anefa fanehoana fahendrena sy fitiavan-tanindrazana » no amaritan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fandraisana andraikitra amin’ny fanadiovana sy ny fikolokoloan’ny tsirairay ny toeram-ponenany.
Andoavana lamandy
Nampahatsiahy ny andininy faha-9 ao anatin’ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH), izay mihatra eto Antananarivo Renivohitra, ny avy eo anivon’ny Kaominina, izay milaza fa “Ny tompon-trano na izay mipetraka ao amin’ny trano dia samy tompon’andraikitra amin’ny fahadiovan’ny trano fonenany sy ny manodidina azy ary ny lalana manoloana ”. Raha ny voasoritra ao anatin’io fehezam-pitsipika io tokoa mantsy dia mety hahavoasazy, lamandy 50.000 Ar ny tsy fahadiovan’ny trano fonenana sy ny miankina aminy ary ny lalana manoloana azy. Na ny tsy fandokoana ny trano manamorona ny lalan-kely sy ny lalam-bahoaka ihany koa aza dia mety hahazoana lamandy 50.000 Ar. Tafakatra ho 1.000.000 Ar izany lamandy izany, raha tsy voaloko ny trano manamorona ny « avenue » sy ny arabe migodana.
Araka ny voalaza dia tokony ho fantatra mialoha ny 26 jona izao ny valin’ilay fifaninana nasiônaly « Tanàna Madio ».