Toamasina : Vitaina amin’ny faran’ny taona 2025 ny lalana mampitohy ny seranan-tsambo amin’ny RN2
Nanatanteraka fitsidihana ny fanamboarana ny lalana mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2) ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Efa nanomboka ny taona 2024 ity asa ity ary vinavinaina ho vita ny faran’ity taona 2025 ity. Mandroso ny asa ary nanamafy izay fe-potoana hamitana azy izay ny minisitra.
Ho afaka ampiasaina amin’ny telo volana voalohany amin’ny 2026
Mirefy 10 km ity lalana ho amboarina ity. Entina hiantohana ny kalitao sy ny fandrosoan’ny asa, araka ny tanjona napetraka ity fitsidihana notanterahina ity. Tamin’izany no nanamafisan’ny Minisitra fa ny io lalana io no ho vita amin’ny faraparan’ity taona 2025 ity. Etsy ankilany dia hitohy amin’ny telo volana voalohany ho an’ny taona 2026 ny famitana ireo tetezana maromaro mirefy 280 metatra ao anatin’ny lalana. « Aorian’izay dia afaka miasa avy hatrany ny lalana ; izay hanala fahasahiranana ho an’ireo fiara lehibe miditra sy mivoaka avy ao amin’ny seranan-tsambo », hoy ny Minisitra.
Etsy ankilany dia efa hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fanamboarana ny lalana mivoaka eny amin’ny RN2. Nanamarika mialoha ity minisitra ity fa tsy maintsy hisy ny fahatapahan-dalana maharitra na fivilian-dalana hapetraka ka tokony hiomana amin’izany ny mpampiasa lalana.
Fiara lehibe miisa 700 isan’andro
Isan’ny hiankinan’ny toekarena nasionaly ity lalana 10km ity. Teo aloha anefa dia simba tanteraka ny lalana ka mampitaraina ireo mpisehatra aminy. Miandrandra hatrany ny fahavitan’io lalana io araka izany izy ireo. Raha ny namafisin’ny avy ao amin’ny Seranan-tsambo dia fiara lehibe miisa hatramin’ny 700 isan’andro no hisitraka ity lalana ity. Ao anatin’izany ireo mpaka sy mpanatitra entana. Hampihena ny fitohanana sy ny korontana mety hisy ao amin’ny renivohitr’i Toamasina, araka izany io lalana io.
Taorian’ny fitsidihana dia nanamafy hatrany ny Minisitra ny amin’ny fanajana ny fananana iombonana. Samy manana andraikitra amin’izany avokoa na ny mpampiasa lalana na ireo mponina manodidina eny.