• Cours de change
  • 5096.73 AR
  • |
  • $4453.75 AR
Copyright Image : © Ipm
Image
Vaovao

Fahasalamana : Hatsaraina amin’ny alalan’ny tetikasa OPERAS ny fitsaboana ny tazomoka ao Manakara

12/06/2025 15:21 © Moov

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 5 jona teo ny tetikasa fikarohana OPERAS (Operationalize the implementation of the pre-referral rectal artesunate treatment at community level in Madagascar). Natao indrindra hanatsarana ny fitsaboana ny tazomoka mahery vaika amin’ny ankizy ao amin’ny distrikan’i Manakara izy io.

Fanapariahana fanafody vaovao

Amin’ny alalan’ny fanapariahana ny fanafody antsoina hoe « artésunate » ny fomba fiasan’ity tetikasa ity. Izany no hatao mialoha mba hampihenana ny fotoana hitsaboana ny tazomoka izay efa nahazatra. Araka izany, fanafody natao hiarovan-tena mialoha ity haparitaka amin’ny alalan’ny tetikasa OPERAS ity. Marihina fa ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) no manatanteraka ny tetikasa, izay tarihin’i Dr Benoît Witkowski. Nanamafy ity farany fa natao « hanamafisana sy hampaharitra ny rafi-pitsaboana ary hampitombo ny fitokisan’ny mponina ny mpitsabo mikasika ny fitsaboana tazomoka ity tetikasa ity ».
Tao anatin’izany ny Talen’ny PNLP na ny Programan’asa nasionaly hiadiana amin’ny tazomoka dia nanamafy fa « Hanampy amin’ny famonjena ain-jazakely maro ny OPERAS satria manome fitsaboana mialoha ny aretina tazomoka mahery vaika, amin’ny fomba haingana sy mora”. Izany hoe, hiena ny olona ho voan’ny tazomoka sarotra tsaboina.

Hanampy ny mponin’i Manakara

Raha tsiahivina ny taona 2023 dia isan’ny Distrika nahitana fahafatesana noho ny tazomoka be indrindra i Manakara. Natokana ho azy ireo indrindra ity tetikasa ity mba hampihenana io fahafatesana io. Ny Dr Martine Hanitriniaina Zafindraibe, solontenan’ny Talem-paritry ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Fitovinany, dia nilaza fa « hanampy azy ireo amin’ny fampihenana ny zaza marary ao Manakara sy hanatsara ny fandraisana an-tanana ny tazomoka eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny toeram-ponenana samihafa ny OPERAS ». Ankoatra ireo fanafody mantsy dia hisy ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny fokonolona sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny fanentanana ny mponina any an-toerana.
Marihina fa ity tetikasa ity dia vatsian’ny Expertise France vola amin’ny alalan’ny L’Initiative. Sampana maro ao amin’ny IPM no mandray anjara amin’ny asa ary miaraka amin’izy ireo ny Institut Pasteur ao Paris sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny PNLP.

Lire la suite

Articles Similaires