• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Mercy Ships
Image
Vaovao

Marie Elisa : Voavonjin’ny Mercy Ships, voadidy maimaimpoana ny tarehiny

11/06/2025 19:08 © Moov.Mg

Indraindray, tonga ao anatin'ny fotoana tsy ampoizina ny famonjena nandrasana efa ela. Porofon'izany ity tantara ity, izay tantara tena marina, niainan'ny vehivavy iray antsoina hoe : Marie Elisa. Kisendrasendra ihany no nahitan'ireo ekipa mpitsabon'ny Mercy Ships azy, izy izay efa niharitra ny ngidin'ny aretina nandritra ny 5 taona.

Fivontosana tamin’ny takolaka

Tany amin'ny Faritra Matsiatra Ambony tany no niantombohan'ny tantara, 5 taona lasa izay. 40 taona i Marie Elisa tamin'izany fotoana izany. Manambady izy ary manan-janaka efatra. Mpamboly no asany. Indray andro, narary ny nifiny ary nivonto. Nihombo anefa ilay noheverina ho areti-nify tsotra, ka tsy sitran'ny fanafody manala fanaintainana nomen'ny fivarotam-panafody intsony. Natao ihany koa ny fitsaboana nentim-paharazana, saingy tsy nisy fihatsarana ny aretina. Farany, nanjary fivontosana lehibe tamin'ny ilan-takolak'i Marie Elisa ilay izy.

Nitarika faharefoana sy tsy fahampiana hery teo amin'ilay renim-pianakaviana ity aretina nahazo azy ity. Nanjary tsy afaka nanatanteraka ny asa fivelomana fanaony andavanandro intsony izy, noho izany. Niantraika tamin'ny fidiram-bolan'ny ankohonana izany, ka voatery niala tamin'ny fianarana ny zanany vavy. Nisy dokotera nanome torohevitra azy ihany mba hodidiana, saingy lafo loatra ny saran'izany, ka tsy ho takatry ny fahefa-mividiny mihitsy. Hany herin'i Marie Elisa dia ny nivavaka mba ho afaka amin'ny fangirifiriana nahazo azy. Dia niainany teny ny aretiny...

Kisendrasendra teny an-tsena

Noho ny kisendrasendra anefa dia nidiram-pahasoavana tampoka ny fiainan'i Marie Elisa. Volana janoary 2024 isika, ao anatin'ny vanim-potoanan'ny rovo-doza indrindra. Miasa mitety an'i Madagasikara, mikaroka izay olona tena hita fa tokony hisitraka fandidiana any amin'ilay sambo hôpitaly Africa Mercy, izay miantsona ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina, ireo ekipan'ny fikambanana Mercy Ships. Noho ny toetr'andro dia voatery niova lalana izy ireo, ka nandalo tany amin'ny tanàna kely iray tany amin'ny Faritra Matsiatra Ambony tany. Raha nandalo ny tsena iny indrindra izy ireo no nahatsikaritra vehivavy iray tao anaty vahoaka, izay mora tazana, noho ilay fivontosana lehibe tamin'ny tarehiny.


Copyright Image : © Mercy Ships

Notadiavina tao anaty olona tao i Marie Elisa, nomena toky izy fa afaka ny hahazo ny fitsaboana sahaza azy. Napetraka vonjimaika mihitsy ny "clinique mobile" nanatanterahana ny fizahana azy. Raha efa izay dia nolazaina taminy fa afaka misitraka fandidiana maimaim-poana izy, satria azo didiana tsara ilay fivontosana. Rehefa nahazo toky tahaka izany ilay renim-pianakaviana, dia nitantara fa misy mibontsina ihany koa ny mason'ny vadiny, ka sao misy ny azo atao ho azy. Taorian'ny fizahana, dia nambara fa afaka ny hisitraka fandidiana ihany koa i Claude, vadin'i Marie Elisa.

Nizotra tsara ny fandidiana

Noraiketina ny daty hanantanterahana ny fandidiana azy mivady, izay tamin'ny fotoana samy hafa. Dokotera mpandidy, mpirotsakaan-tsitrapo, miisa roa, no isan'ny nandray an-tanana an'i Marie Elisa, dia ny Dr Leo Cheng sy ny Dr Gary Parker. Teo ihany koa ny dokotera « anesthésiste », Erik Andersen, izay nilaza fa raha tsy nodidiana ilay renim-pianakaviana dia ho nihombo hatrany ny aretiny. Ho lasa nanindry ny lalan-drivotra ilay fivontosana, hoy izy, ka ho nanjary nanana olana amin'ny fisefoana sy amin'ny fisakafoana i Marie Elisa.

Samy nizotra tsy nisy sampona avokoa ny fandidiana azy mivady ary efa miverina tsikelikely amin'ny asa fivelomana voatery najanony i Marie Elisa ankehitriny. Finoana, lahatra, sa kisendrasendra ihany ? « Nataon’ny vintana hifanojo amin’ny lalana nalehanay izy », hoy i Maddy Hartung, infirmiera, isan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Mercy Ships.



Lire la suite

Articles Similaires