• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Madagasikara

Volana Jona : 'Ndao fantarina ny mikasika ny Hiram-pirenena sy Sainam-pirenena Malagasy

03/06/2025 09:59 © Moov

Natomboka omaly 2 jona 2025 ny fankalazana ny Fetin'ny fahaleovantena. 65 taona tokoa mantsy izay no niverenan'ny fahaleovantena ho an'i Madagasikara.

Sainam-pirenena Malagasy

Mariky ny fiandrianam-pirenena ny fananana sainam-pirenena. Fa mba inona tokoa moa no dikan'ny Sainam-pirenena Malagasy ? Naninona no nasiana maitso nefa toa mena sy fotsy nandritra ny vanim-potoana faha-Mpanjaka ?
Fotsy
tena nofidian'ny andriambavilanitra, na lamba fitafy na fitafiana tsotra. Mampisongadina ny foto-tsakafon'ny Malagasy ihany koa ny fotsy, dia tsy inona izany fa ny vary.
Mena *
Lokon'ny Mpanjaka ny loko mena. Notazomina izany loko izany satria mitahiry tantara maro. Taty aoriana moa dia nadika ho firaisam-pirenena izany. Saika manopy mena avokoa mantsy ny biriky fanamboaran-trano eto Madagasikara.
*
Maitso

"Nosy Maitso" i Madagasikara, izany no anton'ny loko maitso amin'ny sainam-pirenena. Singanina manokana ny Ravinala, izay zava-maniry mampiavaka ny Nosy. Hatramin'izay ka hatramin'izao, mbola mampiavaka an'i Madagasikara ny fananany ala midadasika.
Tamin'ny taona 1858 moa no namoronana ny sainam-pirenena Malagasy, iza nataon'i Ranaivoson Andrianome.

Tonon'ny hiram-pirenena Malagasy

Ireo mpianatra no tena mahay ny hiram-pirenena. Matetika dia mijanona eo amin'ny andininy voalohany nefa izany. Rehefa tafiditra amin'ny sehatry ny asa dia toa adinodino izany, ka sahirana tokoa mitadidy tononkira rehefa sendra manatrika lanonana ofisialy. Noforonin'i Pasteur Rahajason ny tononkira, ary i Norbert Raharison kosa no nandrindra ny feony.
1-Ry Tanindrazanay malala ô!
Ry Madagasikara soa
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao, ho anao doria tokoa
Tahionao, ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay.

2-Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo, fanahy anananay,
'Zay sarobidy sy mendrika tokoa.
Tahionao, ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay.

3-Ry Tanindrazanay malala ô!
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanay.
Tahionao, ry Zanahary
Ity Nosin-dRazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay.

Tsiahivina fa amin'izao Repoblika faha-4 izao, "Fitiavana – Tanindrazana – Fandrosoana" no teny filamatra

Lire la suite

Articles Similaires