• Cours de change
  • 5138.69 AR
  • |
  • $4502.07 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Haharitra 12 volana ny fanarenana ny RN5 mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe

02/06/2025 09:15 © Moov

Natomboka ny sabotsy 31 mey lasa teo ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy RN5, izay mampitohy an’i Toamasina amin’i Foulpointe. Mirefy 50 km izy io ary haharitra 12 volana ny fanatanterahana ny asa.

Laharam-pahamehana ireo teboka tena manahirana

Lalana be mpampiasa io RN5 io. Ao anatin’izany ireo mpivarotra, ireo mpitatitra entana, ireo mpizahatany ary ireo olon-tsotra mivoaboaka isaky ny faran’ny herinandro ao Toamasina. Araka izany, nanamafy ny Minisiteran’ny asa vaventy fa tsy maintsy hatao izay hizoran’ny fifamoivoizana. Izany no hanaovana ho laharam-pahamehana ireo faritra tena manahirana na ny « maintien de la circulation » amin’izao voalohany izao. « Na dia lava aza io lalana io dia tsy maintsy ireo lavaka tena manahirana aloha no halamindamina, alohan’ny fialan-tsasatra lehibe, mba hahafahan’ny tanànan’i Foulpointe misitraka mpizahatany », hoy ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore.

Efa simba tanteraka ny lalana

Raha ny fitsidihana nataon’ny minisitera tany an-toerana sy ny fahatsapan’ireo mpampiasa lalana dia efa simba tanteraka izany lalana izany. Ho averina amin’ny laoniny indray izany ny fifamoivoizana ary ny volana jona 2026 dia efa tokony hisosa ny fampiasana azy. Raha tsiahivina dia efa maro ireo fiara tsy afaka nampiasa iny lalana iny intsony, nandritra ny fotoana naharitra. Aorian’ny fanarenana araka izany dia hiverina afaka hifamezivezy eny indray, ireo fiara kely. Ho vita latsaky ny ora iray ihany koa io lalana io amin’izay fotoana izay, raha efa ho ora 3 no namitana azy teo aloha teo.
Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa efa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana mey ny fanarenana ny ampahany voalohany tamin’io lalana io, dia ny mampitohy an’i Foulpointe amin’i Fénérive Est. Ny Banky Iraisam-pirenena, amin' ny alalan'ny tetik'asa PDDR no manatanteraka ity fanarenan-dalana ity, miaraka amin’ny Fitondram-panjakana.

Lire la suite

Articles Similaires