• Cours de change
  • 5138.69 AR
  • |
  • $4502.07 AR
Copyright Image : © Madagasikara Vaovao
Image
Vaovao

BEPC Katolika 2025 : Maharitra 5 andro ny fanadinana

02/06/2025 07:57 © Moov

Fampianarana : Manomboka androany alatsinainy 2 jona ny fanadinana BEPC Katolika, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny zoma 6 jona.

Raha tamin'ny talata 27 may lasa teo ny CEPE Katolika, ny BEPC indray no atrehin'ireo mpianatra amin'ny Sekoly Katolika amin'ity herinandro ity.

Fanadinana anatiny

Fanadinana tsy maintsy ataon'ny mpianatry ny Sekoly katolika rehetra ny CEPE, BEPC, BAC Katolika. Ho an'ny BEPC Katolika manokana, miantoka ny fidirana "Classe de seconde" amin'ny sekoly katolika ny fahafahana fanadinana. Tsiahivina fa efa maherin'ny 5 taona izao no mikarakara fanadinana anatiny ny "Direction Nationale de l'Education Catholique". Nomarihan'ny tompon'andraikitra fa tsy mahasolo ny diplaomam-panjakana io mari-pahaizana omena ny mpianatra io, fa mijanona ho an'ny fianarana katolika ihany.
Tombony lehibe ny fanadinana anatiny toy izao satria vita mialoha ny fandaharam-potoana. Mbola manana fotoana hanaovana famerenana misimisy ihany koa ireo mpianatra raha misy lesona tsy voafehy. Amin'ny ankapobeny, azo antoka ny fahafahana BEPC nasionaly rehefa afaka BEPC katolika ny mpianatra.

Fandaharam-potoana

Tsy manakana ny fianaran'ny mpianatra tsy manala fanadinana ny fisian'ny BEPC Katolika. Samy manatanteraka fandaminana anatiny ireo sekoly tsirairay mba hahafahan'ny "Classe de 3ème" miatrika fanadinana.
Toy izao àry ny fandaharam-potoana :
-Alatsinainy 2 jona : Malagasy ny maraina, Religion ny hariva
-Talata 3 jona : Mathématiques ny maraina, SVT ny hariva
-Alarobia 4 jona : Physique-Chimie ny maraina, Français ny hariva
-Alakamisy 5 jona : Histo-geo ny maraina, EVA ny hariva
-Zoma 4 jona : Langue Vivante ny maraina. Mifarana amin’ny 10 ora sy sasany ny fanadinana.
Tsiahivina fa ho tanterahina ny 30 jona hatramin’ny 3 jolay ny BEPC nasionaly.

Lire la suite

Articles Similaires