• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Elio Keniston
Image
Vaovao

CEPE Katolika 2025 : Tsara fiomanana, miandry vokatra tsara

27/05/2025 08:20 © Moov

Tanterahina androany talata 27 may ny CEPE katolika 2025 manerana an'i Madagasikara, ho an'ireo mpianatr'ireo sekoly manaraka ny rafi-pampianarana katolika.

Efa manana ny lanjany tokoa ny diplaoma katolika eto Madagasikara, na ny CEPE, na ny BEPC na ny BAC, eny hatramin'ny Doctorat. Tsy maintsy manantanteraka ireo fanadinana anatiny avokoa moa ireo mpianatra rehetra, sady mandray anjara amin'ireo fanadinana ofisialy karakarain'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ihany koa.

Laza adina iraisana

Koa satria iray ihany ny fandaharam-pianarana eny anivon'ireo sekoly katolika rehetra, mitovy avokoa ny laza adina manerana ny Nosy. Matetika moa dia iray volana mialohan'ny fanadinana ofisialy eo ho eo ny fanadinana katolika. Natao izany mba hananan'ireo mpianatra fotoana hanarenana ny lesoka. Ireo mahazo ny "CEPE Katolika" ihany moa no tafiditra kilasy faha-6 eny anivon'ny sekoly katolika. Azo lazaina fa fampiomanana mahomby ho an'ireo mpianatra ny fanadinan-dehibe toy izao. Vita mialoha mantsy ny fandaharam-pianarana sy ny famerenan-desona. Ho an'ny Direction diocésaine de l'Education du diocèse d'Antananarivo (DIDEC) manokana, nisy fiantraikany tsara teo amin'ny voka-panadinana ofisialy ny fanatanterahana ny fanadinan-dehibe anatiny.
Tsy voatery ho andro tsy fianarana ity andron'ny CEPE Katolika ity, satria samy manana ny fandaharam-potoany sy ny fandaminany ny sekoly tsirairay. Ho an'ny ankamaroan'ireo sekoly katolika, ao amin'ny efitrano fianarany ihany ireo mpiadina no manatanteraka ny fanadinana, fa ny toeran'ny tsirairay fotsiny no asiam-pandaminana. Marihana moa fa tafiditra ao anatin'ny taranja hanadinana ny "Religion" (katesizy) sy ny "Education à la vie et à l'amour" (EVA).

Laza adina arakaraka ny CISCO

Ho an'ny fanadinam-panjakana ofisialy CEPE 2025, ho tanterahina ny talata 17 jona ho avy izao, samy hanana ny laza adina ny CISCO tsirairay. Izany no hevitra tapaky ny filankevitry ny Minisitra tamin'ny alarobia 26 febroary lasa teo.
Misy araka izany ny fametrahana rafi-pandaminana vaovao amin' ny fanadinana hahazoana ny "Certificat d’études primaires élémentaire" (CEPE) sy ny fidirana kilasy faha-6, ka ireo CISCO ihany koa no tompon'andraikitra amin'ny fikirakirana, ny fandefasana sy ny fitaterana ireo laza adina eny amin'ny foibem-panadinana. Manohy ny andraikiny amin' ny fanampiana azy ireo nefa ny Ministera foibe. Heverina araka izany fa ho mora kokoa ny fanadinana amin'ity taona ity. Na eo aza izany, ahiana ny tsy hitovian'ny lentam-pahalalan'ireo mpianatra. Ny azo antoka aloha, hivoaka mialohan'ny fetin'ny 26 jona ny voka-panadinana manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires