• Cours de change
  • 5098.61 AR
  • |
  • $4522.36 AR
Copyright Image : © Hina
Image
Vaovao

Foana ny lefakozatra : Fandresena ho an'ny Fanjakana malagasy sy ireo mpisehatra amin'ny fanaovam-baksiny

22/05/2025 18:56 © Moov.Mg

Vaovao lehibe nivoaka tamin'ity herinandro ity ny fanambarana fa afaka amin'ny valanaretina lefakozatra i Madagasikara. Miombona hafaliana amin'izany fandresena azon'i Madagasikara izany ny firaisamonim-pirenena, izay manao haitaky momba ny fanatsarana ny tontolon'ny vaksiny eto amintsika.

Zaza voaaron’ny vaksiny

Ny talata 20 mey lasa teo, raha tsiahivina, no nambara tamin'ny fomba ofisialy, nandritra ny fivoriam-be notontosaina tany Genève, ny fahataperan'ny valanaretina lefakozatra amin’ilay karazany « poliovirus de type 1 », ho an'i Madagasikara. Nanatrika izany fivorimbe izany ny minisitry ny fahasamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, izay nilaza fa vokatra azo avy amin’ny Politika ankapoben'ny Fanjakana, izay manome lanja manokana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, izao fandresena izao. Asa mivaingana no nahatratrana izany vokatra izany, hoy hatrany ny tatitry ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, satria zaza miisa 19 tapitrisa no voaaro tamin’ny alalan’ny vakisiny.

Manamafy ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena HINA, tamin'ny alalan'i Faniry Hantarinivo filohan’ny filàn-kevi-pitantanany, fa fandresena lehibe tokoa no azon'i Madagasikara, amin'ity fanambarana ny fahafahana amin'ny valanaretina lefakozatra ity. "Miara-mitehaka amin'ny Fanjakana malagasy izahay, hoy izy. Matoa mantsy tonga amin’izao tanjona izao, dia nisy ezaka ihany koa, nandraisan’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirennena anjara. Isan'izany ny fanentanana, ny fanaovana fidinana ifotony, izay nahafahana nijery ny tahan’ny fanaovana vaksinin'ny lefakozatra any amin'ny faritra iasana", hoy ny fanazavany.

Tsy nisy trangana lefakozatra intsony

Aretina mora mifindra anefa ny lefakozatra ary vao misy tranga iray voamarina, dia efa ahiana ny fihanahany. Noho izany indrindra dia notsindrian'ny vovonana HINA, fa tsy tokony hijanona hatreo ny asa. Mbola tsy tratra rahateo ny tanjona, ny amin'ny tokony hanokanana ny 15% amin'ny teti-bolam-panjakana amin'ny ankapobeny, ho an'ny Fahasalamam-bahoaka, araka izay nankatoavin'i Madagasikara tamin'ny Fifanarahan'i Abuja. Vonona hanohy ny ady efa natomboka ny vovonana HINA, araka ny nambaran'i Faniry Hantarinivo. "Anjara asan’ny fiarahamonim-pirenena ny fanaraha-maso izay heverina fa fanamby tratra, mba hahafahana mitazona izany. Manao tan-tsoroka ihany koa izahay, amin’ireo mpiara-mikatroka, mba hahafahana mitazona izay "zéro polio" izay, hoy ny nambarany.

Isan'ny antony nahafahana nanambara izao fahafahan'i Madagasikara amin'ny aretina lefakozatra izao moa ny tsy fisian'ny trangan'aretina voamarina intsony, nandritra ny herintaona mahery izay.

Lire la suite

Articles Similaires