Toe-karena : Nohatsaraina ny fomba fanondranana trondro mankany Sina
Notanterahina teny Ampandrianomby, tao amin’ny biraon’ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga (MPEB) ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Direction Générale des Douanes de Chines sy io MPEB io. Natao hanatsarana ny vokatry ny malagasy mankany Sina no tena anton’izao fifanarahana izao.
Fanatsarana ny vokatra haondrana
Manamafy ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny roa tonta, indrindra amin’ny sehatry ny fanondranana trondro an-dranomasina fatao "haingo" (poissons marins ornementaux) avy eto Madagasikara makany Sina ity fifanarahana vita sonia ity. Nisolo tena ny Repoblika Entimbahoakan'i Sina Atoa M. WANG Lingjun Vice-ministre De l'Administration Génerale des Douanes de Chine (GACC).
Araka ny fifanarahana, ireo trondro voalaza etsy ambony izay aondrana dia tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-pahasalamana, miaraka amin'ny fihibohana fara fahakeliny 48 ora. Tsy maintsy arahin’ny Autorité Sanitaire Halieutique na ASH maso, mialoha ny handefasana azy ireo, izany. Ireo fepetra ireo dia napetraka mba hiantohana ny fanarahan’ny vokatra malagasy ny fenitra iraisam-pirenena. Natao izany mba hahafahana mitazona hatrany ny tsena iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny fitazomana ny kalitaon’ny vokatra.
Maharitra 5 taona
Ity fiaraha-miasa ity dia tsy vitan’ny manamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Sina, fa mandrisika ihany koa ho an’ireo mpamokatra sy mpanjono Malagasy hanatsara ny vokatra omeny ary hanitarana ny fidirana amin’ny tsena iraisam-pirenena. Marihina fa haharitra dimy taona eo ny fifanarahana ary azo havaozina araka ny filàn’ny roa tonta.
Anisan’ny vokatra hazan-drano aondrana any Sina ny dingadingana efa maina, ny horita, ny makamba, ny oratsimba, ny amalona ary ireo karazana trondro samihafa. Raha ny antontan’isa tamin’ny taona 2024 teo ohatra dia nahatratra 3.900 taonina ny totalin’ny vokatra hazan-drano naondran’i Madagasikara makany Sina. Maneho izany fa zava-dehibe ny sehatry ny jono ho an’ny toekarena malagasy.