Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 5 hatramin'ny 11 may 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 5 hatramin'ny alahady 11 may 2025.
Fiangonana Katolika # Voafidy soa aman-tsara ny Papa Ray Masina vaovao
Ny takarivan'ny alakamisy 8 may lasa teo no nahazo Papa vaovao ny fiangonana katolika manerantany, raha ny alarobia 7 may no nanomboka ny "Conclave". Ny kardinaly Mgr Prevost, teratany Amerikana, no voafidy ka nisalotra ny anarana hoe Papa Léon XIV. Tamin'ny taona 2023 ny tenany no notendren'ny Papa François ho Kardinaly. Efa niasa taona maro tao Roma izy, noho ny andraikitra masina notazominy teo anivon'ny Ordre Saint Augustin. Mitovy fironan-kevitra amin'ny Papa François ny tenany, ka mbola hiady mafy amin'ny fampiraisana ny Eglizy sy ny Olombelona rehetra manerantany.
Fadintseranana Malagasy # Nidoboka am-ponja ilay Sri-lankais nikasa hanondrana volamena
Nidoboka am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay lehilahy teratany Sri-lankais nikasa hanondrana volamena an-tsokosoko. Nafeniny tao anaty "Rice Cooker" ny vovo-bolamena milanja 3,855 kg, raha iny izy nikasa hiondrana ho any Dubai iny. Rehefa natao ny fanadihadihana dia tsy fanondranana harem-pirenena an-tsokosoko ihany no maha-voarohirohy azy, fa eo ihany koa ny famotsiambola sy ny famatsiambola amina asa fampihorohoroana.
Tsiahivina hatrany fa efa matihanina ireo tompon'andraikitra manatanteraka ny fisavana eny amin'ny Seranampiaramanidina Ivato, sady efa arifomba rahateo ireo fitaovana rehetra ampiasaina.
67ha # Zazavavikely 8 taona nisy namono
"Vita ny valifaty" : izany no soratra nampiarahan'ny mpamono tamin'ilay razana. Zazavavikely 8 taona no nanaovan'ny fianakaviany antso "ombay mitady" tamin'ny tambazotran-tserasera Facebook. Nanome vaovao nefa ny reniny fa hita ilay zaza, saingy efa vatana mamgatsiaka.
Nisy taratasy hita moa, natsipy teo am-baravarankely, nanambara ny toerana tokony hahitana ilay zazavavikely. "Dalle" izy io, ka rehefa nosokafana dia hita tao ny gony nisy ilay vatana mangatsiaka. Voalaza moa fa tsy nisy ankanjo intsony teny an-koditr'i Raissa kely. Mbola nandrahona ihany koa ny nahavanon-doza fa mbola hamono olona roa. Efa eo am-pelatanan'ny Brigade Criminelle moa ny raharaha.
Ivato # Manomboka ny tetikasa Lac Iarivo
Hanova ny endriky ny renivohitry Madagasikara ny tetikasa Lac Iarivo ary tsy ho mena-mitaha amin'ireo hita any ivelany. Mahatratra 11km ny moron-dranon’ny Lac Iarivo sy ny moron’ny Rocade Tsarasaotra hanorenana an’ity tetikasa ity izay hitsinjara "zones" miisa 13.
Hita eo avokoa ny toerana fialam-boly sy fanaovana fanatanjahantena samihafa, ny toeram-pisakafoana, trano fandraisam-bahiny "5 étoiles", ny zaridaina fampirantiana ny zava-boahary eto Madagasikara, ny "Palais du futur et de l'innovation" ary indrindra "jet d'eau" goavana.
Hiteraka asa maro ihany koa ity tetikasa ity, ary hitondra vokatra azo tsapain-tanana amin’ny lafiny ara toe-karena izany.
Fampianarana sy fialamboly # Nanolotra boky ny Alliance Française
Boky miisa 140 no natolotry ny Alliance Française ny EPP Ankadivato. Mbola nisy ihany koa ny fanolorana boky miisa 64 ho an'ny QG Tanora Ankorondrano, eo anivon'ny Ministeran'ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Tsara kalitao sady manaraka ny fandaharam-pianarana ireo boky rehetra ireo. Tsara ny manamarika fa mbola misy tokoa ireo tanora mpianatra mankafy mamaky boky taratasy, na dia eo aza ny fandrosoan'ny teknolojia. Tsy boky fianarana ihany no natolotra, fa eo ihany koa ireo mitahiry lalaon-tsaina sy fahalalana ankapobeny.
Toamasina # Jiolahy roa nahatratrarana rongony sy basy tao Ankirihiry
Lehilahy miisa roa no nosamborin'ny Polisimpirenena tao Ankirihiry, Toamasina ny alin’ny 9 May lasa teo. Nahatratrarana basy tsy ara-dalàna miisa 2, rongony mahery vaika cocaïne sy Heroïne, menaka rongony Cannabis ary fitaovam-piadiana hafa izy ireo. Nitondra fiara tsy mataho-dalana ireto lehilahy roa ireto no sendran’ny Polisy manao fisafoana amin’ny alina ka tratran’ny fisavàna ary noraisim-potsiny. Nandritra ny fisavàna dia hita fa efa voafahana ny iray tamin’ireo basy ary niaraka tamina bala miisa 7 tao anaty "boite chargeur". Noentina namonjy ny biraon’ny Polisimpirenena avy hatrany izy ireo hatao andri-maso sy hanokafana fanadihadiana.
Toamasina # Mpivarotra zavamahadomelina voasambotra tao Mangarano
Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CSP2 Mangarano, Toamasina, ny harivan’ny 10 May noho ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika cocaïne. Angom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantarana fa anisan’ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina mahery vaika ao Toamasina ireto lehilahy ireto ka nanaovan’ny Polisy vela-pandrika.
Ankoatran’ireo cocaïne efa vita fonosana sy vonona ho amidy tany amin’izy ireo dia mbola nahatratrarana tamin’ity zava-mahadomelina ity ihany koa tany an-tranon’ireto olon-dratsy ireto. Mahatratra 6 grama mahery no cocaïne tratra tany amin’izy ireo.
Mahajanga # Teratany vahiny voasambotra noho ny Horonantsary mamoafady min'ny zaza
Lehilahy teratany vahiny 69 taona manao fitadiavam-bola ny fanaparitahana horonan-tsary mamoafady mahakasika zaza tsy ampy taona, mianga avy ao Mahajanga. Fiaraha-miasa sy fifampitokisana eo amin'ny sampandraharahan’ny Polisimpirenena malagasy miady amin’ny heloka anabaka (Cybercriminalité) sy ny fikambanana Child Rescue Coalition any Etazonia no nahafantarana izany.
Rehefa nosavaina ny tranony dia nahatratrarana solosaina sy fitaovana hafa fampiasany amin'izany asany izany. Efa natolotra ny fampanoavana ity tera-tany vahiny ity ny 7 May lasa teo ka nampidirina am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga.
Valanjavaboary Tsimbazaza # Natsangana ny komity miandraikitra ny fanantenana
Vinan’ny fitondram-panjakana ny fanarenana ny Valanjavaboary Tsimbazaza na PBZT. Ny volana febroary 2025 no natsangana ny « 𝐶𝑜𝑚𝑖𝑡𝑒́ 𝑖𝑛𝑡𝑒𝑟𝑚𝑖𝑛𝑖𝑠𝑡𝑒́𝑟𝑖𝑒𝑙 𝑝𝑜𝑢𝑟 𝑙𝑒 𝑟𝑒𝑑𝑟𝑒𝑠𝑠𝑒𝑚𝑒𝑛𝑡 𝑑𝑢 𝑃𝐵𝑍𝑇 » na ny komity iombonan'ny ministera maromaro ho fanarenana ny PBZT. Ny fanarenana ny valanjavaboary sy ny fanomanana ny fanamarihana ny faha-100 no tena iandraiketany. Mandrafitra ny Komity iombonana miaraka amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana, ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera, Ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy. Tafiditra ao anatin’ny fanohanana izany ezaka fanarenana izany ny hetsika « 𝐷𝑖𝑜 𝑃𝑎𝑟𝑐 𝐹𝑎𝑜𝑏𝑒 », notanterahina ny 09 may 2025.