FEPA andiany faha-17 : Manome lanja ny fiompiana, fanoitra amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy androany 8 mey 2025 ny andiany faha-17 amin’ny hetsika Tsenaben'ny Fiompiana sy ny Vokatra azo avy aminy, na ny "Foire de l'Élevage et de la Production Animale" (FEPA). Haharitra herinandro izy ity, izay tanterahina eny amin’ny foiben-toeran’ny Malagasy Professionnels de l'Élevage (MPE) eny Nanisana.
Fiompiana, iankinan’ny toekarena
Entina hanasongadinana ny vokatry ny fiompiana, na anaty rano na an-tanety, ny FEPA. Araka izany, miahy ny hetsika ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ahitana trano heva an-jatony, mampiranty vokatra azo jifaina amin’ny vidiny mirary, eny an-toerana. Mandritra ireo andro 4 hanatantrrahana ny hetsika dia hisy ihany koa ny famelabelarana arahina adihevitra, miompana amin’ny lohahevitra taratry ny zava-misy ankehitriny, eo amin’ny sehatry ny fiompiana, sy ny fiantraikan’izany amin’ny toekarem-pirenena. Izany rehetra izany dia nokendrena hahaliana ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fiompiana sy ny jono, ary koa ireo mpanjifa tonga mitsidika.
Fahavitan-tena ara-tsakafo
Miavaka ity andiany ity, noho izy entina hanamarihana ny faha-30 taonan’ny MPE, izay mpikarakara ny hetsika. « Ny Fiompiana, fanoitra lehibe amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara », no lohahevitra voizina. Izany dia mifanaraka amin’ny tanjon’ny MPE, dia ny fampitomboana isa ireo mpiantsehatra amin’ny fiompiana, ary koa ny fampitomboana ny vokatry ny fiompiana amin'ny fomba maharitra, mba hamaliana ny filàn'ny mpanjifa, na eo amin'ny lafiny ara-kalitao na eo amin’ny habetsahana. Rehefa tanteraka izany dia mitondra mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sady manampy amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara.
Mpitsidika maherin'ny 20.000 isa no vinavinaina handray anjara amin’ity hetsika ity, izay tsiahivina fa nanomboka androany 8 mey 2025 ary tsy hifarana raha tsy ny alahady ny 11 mey izao. Samy hahazo fanomezana avokoa ireo mpitsidika 100 voalohany isan’andro.