• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Mercator Océan
Image
Vaovao

Ranomasimbe Indianina : Ambony ny ambana amin'ny fahalotoan'ny ranomasina, hoy ny OLEP

08/05/2025 14:27 © Moov

« Ambony ny ambana amin’ny fahalotoan’ny ranomasimbe Indianina, amin’izao fotoana izao », hoy ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Organe de Lutte contre l'Évènement de Pollution marine (OLEP), Damy Jean Baptiste Ratolojanahary. Vokatry ny olana iraisam-pirenena samihafa, indrindra ny ao amin’ny ranomasina mena no mety hahatonga izany. Manoloana izany dia handray ny fepetra mifandraika amin’izany izy ireo.

Olana iraisam-pirenena

Isan’ny antony nolazain’ity Tale Jeneraly ity ny olana izay mitoetra eo amin’ny Ranomasina Mena, ka mahatonga ny sambo lehibe mpitatitra solika mivily aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, avokoa. « Ireo sambo mandalo aty ireo no ambana amin’ny ranomasina satria mety hiteraka loza ny fahaverezana solika mavesatra », hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa isan’ny antony lehibe indrindra mandoto ny ranomasina ny solika ary mahafaty zavamanan’aina maro ao anatiny. Ankoatra ny solika anefa dia hatahorana ihany koa ny fiparitahan’ny fako sy ny plastika any anaty rano, ka mampiakatra io ambany.

Manana paikady fiomanana

Hahafahana miaro tena sy miaro ny tontolo iainana araka izany, dia efa handray fepetra mifanaraka amin’izany ny OLEP. Hampiofana sy hampianatra ary hampiomana ireo olona mpiantsehatra eny amin’ny ranomasina izy ireo. Ao anatin’izany ireo mpanjono, mpikarakara manodidina ny fizahantany an-dranomasina ary ireo eny amin’ny seranan-tsambo. Hampiofanina izy ireo amin’ny mety ho zava-misy raha sendra izay tranga izay, eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Tsara ny manamarika fa tsy eto Madagasikara irery ihany no miasa ny OLEP fa natsangan’ny vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina izy io mba handrafitra ny paikady hiarovana io faritra rehetra io amin’ny mety ho olana. Fiaraha-miasa no ataon’izy ireo ka raha misy izay fahalotoana izay dia azo atao ny miantso fiaraha-misalahy eo amin’ireo firenena rehetra ao anatin’ny COI. Raha sendra misy ny olana any amin’ny fari-dranomasin’ny firenena hafa dia afaka miantso fifandrimbonana hatrany izy ireo.

Antitra ny fitaovana fa mbola azo ampiasaina

Nanamarika hatrany ity Tale Jeneraly ity fa manana fitaovana entina manatanteraka izany fanadiovana izany ny OLEP na dia efa somary antitra aza izany. « Azo lazaina ampy ny fitaovana na dia efa ela aza satria efa ny taona 2005 no nahazoana azy. Manana « moto pompe », « pompe », « générateur », « barrage absorbant », « tapis absorbant » ary « dispersant » isika fa mbola afaka ampiana hatrany ireo », hoy ny fanazavana.
Efa miomana hatrany araka izany ny avy ao amin’ny OLEP amin’izay tranga mety hisy.

Lire la suite

Articles Similaires