Fanomezan-danja ny asan’ny Rasazy : Misoroka ny 60%-n’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza
Antoka iray mampihena ny taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana ny fanomezana lanja ny asan’ny mpampivelona, na ny Rasazy, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Andro iraisam-pirenena natokana ho azy ireo ny androany 5 mey, ka any Mahajanga, Faritra Boeny, no anamarihana izany, ho an’i Madagasikara.
Rasazy, asa manan-danja
« Mpampivelona, asa manan-danja ho an’ny vonjy aina » no lohahevitra voizina mandritra ity andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampivelona ity. Asa iray manan-danja ho an’ny vehivavy tokoa mantsy ny asan’ny Rasazy, na amin’ny fiainana andavanandro, indrindra moa fa amin’ny fotoanan’ny loza voajanahary, toy ny rivo-doza, na rehefa misy fiparitahan’ny valanaretina, sy amin’ireo karazana loza hafa. Afaka misoroka ny 60%-n’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny asan'ny Rasazy, araka ny nambaran’ny UNFPA. Isaky ny vola 1 dôlara ampiasaina amin’ny fanomezan-danja ny asan’ireny mpampivelona ireny, dia miverina 16 avo heny izany, hoy ity rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana ity.
Manana andraikitra mavesatra
Hetsika maro no tanterahina any Mahajanga, ho fampahafantarana sy ho fanomezan-danja ny asan’ny mpampivelona. Natomboka tamin’ny diabe am-pilaminana izany, androany maraina, narahina dinika an-databatra boribory momba ny asan’ny mpampivelona. Ny Rasazy moa dia fantatra indrindra amin’ny fampiterahana ny vehivavy bevohoka. Raha toa ka misy fahasarotana izany fampiterahana izany, dia eo ny dokotera mandray an-tanana ilay vehivavy hiteraka. Fa mialoha ny fampiterahana dia ny Rasazy no manara-maso ireo dingana rehetra eo amin’ny fitondrana vohoka ary mitohy amin’ny fanarahana akaiky ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza izany, ao aorian’ny fiterahana. Tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny mpampivelona ihany koa ny fanomezana torohevitra ny vehivavy, momba ny fandrindram-piterahana sahaza ny toe-batany sy ny toe-pahasalamany.
Ankoatra ny maha fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpampielona ny androany, dia tamin’ity andro ity ihany koa no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro ho an’ireo mpitsabo mpanampy, izay tanterahina ao an-drenivohitr’i Boeny, manombona androany 5 hatramin’ny 12 mey 2025.