Lasary angivy : ny fanamboarana azy sy ny vokatsoa azo avy aminy
Isan’ireo legioma mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana ny angivy. Atao ro matsatso moa no tena mahazatra antsika hampiasana azy io. Azo anaovana lasary ihany koa nefa ny angivy. Tsy mangidy araka ny fiheverana azy izy io rehefa hay tsara ny mikarakara azy.
Ireo zavatra ilaina raha hanao lasary angivy
-Angivy voany 5 ;
-Sakamalaho kely ;
-Tongolo 1 ;
-Tongolo gasy hasiny 1 ;
-Vinaigitra na voasary makirana 2 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipavatra ;
-Menaka 1 sotro fihinanana.
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Sasana tsara ny angivy avy eo tetehina manify.
Arotsaka ao anaty rano mafana mandritra ny 5 minitra mba tsy ho somary malemy kokoa.
Tetehana ny tongolo ary kikisana ny sakamalaho sy ny tongolo gasy. Atao anaty saladier ary asiana ny ranona voasary makirana na ny vinaigitra, sira sy dipoavatra ary ny ny menaka. Aroharoana tsara hifangaro.
Rehefa vonona io vinegrety io dia arotsaka ao ny angivy voatetika manify teo. Aroharoana tsara hifangaro. Avela hilona mandritra ny 10 hatramin’ny 15 minitra mba hiditra tsara ny tsiron’ny vinegrety izay vao hoanina.
Ireo vokatsoa ara-pahasalamana entin’ny angivy
Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana angivy, anisan’izany ny :
-Fanatsarana ny fandevonan-kanina sy fanadiovana ny tsinay ;
-Fampihenana ny rivotra ao anatin’ny kibo ;
-Fampihenana ny « cholestérol » sy ny tavy ratsy ao amin’ny vatana ;
-Manatsara ny toe-pahasalaman’ny olona misy goty.