Rovan'Ambohimanga : Renivohitr'Imerina teo aloha, vakoka iraisan'izao tontolo izao
Vakoka iraisan'izao tontolo izao na "patrimoine mondial de l'UNESCO" ny Rovan'Ambohimanga nanomboka ny taona 2001. Tsy adino ihany koa fa io no Vohitra Masina voalohan'ny Fanjakan'Imerina, sady renvohitr'Imerina teo aloha rahateo. Harem-pirenena io Rova io hatramin'ny taona 1939.
Anisan'ny Rova manamarika ny tantaran'i Madagasikara ny eny Ambohimanga. 21 km miala ny renivohitra, amin'ny lalampirenena faha-3, no misy azy. 59ha be izao no velaran-tany misy izany toerana masina izany, ka ahitana ala mitahiry zava-maniry tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. 124 be izao ny karazan-java-maniry, ka ny 32 amin'ireo no "plantes endémiques".
Tantaran'Ambohimanga
Anisan'ny vako-pirenena tranainy indrindra ny Rovan'Ambohimanga, satria efa maherin'ny 500 taona no nijoroany.
Ara-tantara, "Tsimadilo" no anaran'ilay tanàna fahiny. Rehefa tonga teny ny Andriana antsoina hoe Andriamborona, avy any Imamo, dia novainy hoe "Ambohitrakanga" ny anaran-tanàna. Feno ala sy akanga mantsy ny toerana. Ilay Andriana nantsoina hoe Andriatsimitoviaminandriana no nanome ny anarana hoe "Ambohimanga", noho ilay vohitra betsaka voromanga.
Miisa 3 ny lapa niorina teny Ambohimanga fahiny, saingy ny "MAHANDRY" sisa no tavela ao, dia ny nonenan'ny Mpanjaka Andrianampoinimerina.
Fitsidihana ny Rovan'Ambohimanga
Amin'ny maha-vohitra masina azy, fiakarambe no tsy maintsy aleha. Azo aleha tongotra tsara nefa ny Rovan'Ambohimanga, raha miala fiara iombonana eo amin'ny Tsenan'ny Kaominina. Miisa 14 moa ny vavahady miaro io Rovan'Ambohimanga io, ka ny 7 amin'ireo dia natao tamin'ny andron'Andriatsimitoviaminandriana. Nanampy vavahady 7 kosa ny Mpanjaka Andrianampoinimerina nandritra ny fanjakany.
Kianja fidasiana
Raha vao tafiditra ny vavahady lehibe, ny Kianja Fidasiana no hitan'ny maso voalohany. Io toerana malalaka io no fanatanterahana lanonana tamin'ny vanim-potoana faha-Mpanjaka. Maromaro moa ny fety tena namorian'ny Mpanjaka olona ka anisan'izany ny Taombaovao Malagasy, ny Santa-bary ary ny famorana zanak'Andriana. Misy vato miendrika fo eo amin'io kianja io, izay voalazafa fa famonoana ny Omby volavita atao sorona.
Eo amin'io kianja fidasiana io ihany, misy toerana fanaovana sorona. Manamarika izany ny hazo lehibe iray fanantonana ireo lohan'omby volavita natao sorona sy ny vato fanasinana, nandrarahana ny ràn'izany biby izany. Mandrak'ankehitriny dia mbola misy manasina eo amin'io vato io, indrindra rehefa Alahamady sy Alakaosy. Matetika dia akoho na gana no ataon'ireo mpanasina sorona eo amin'io vato kelikely io.
Aorian'ny kianja fidasiana no nametrahana ny Filanjana ny Mpanjaka. Io fitaovana io no fitondrana ny Mpanjaka mandehandeha, na ao an-dapa na amin'ny toerana hafa.
Manda lehibe sy Fahitr'omby
Rehefa hanohy ny fitsidihana dia miakatra ny tohatra mianavaratra. Eo indrindra no andalovana ilay manda lehibe izay mirefy 5 amin'ny 2 metatra. Tamin'ny andron'ny Mpanjaka Ranavalona I no nananganana azy io, ka nifanome tanana ny vahoaka tamin'ny fanolorana ireo akora nilaina tamin'izany. Voalaza mantsy fa vita tamin'ny vato, ny tanimena, ny tainomby, ny sokay ary ny tapotsin'atody io manda lehibe io. Mafy dia mafy izy io ka tsy hatahorana hirodana mihitsy.
Misy toerana manokana, avy eo ankavia, izay "fahitr'omby". Tao no nametrahana ireo omby volavita natao sorona. Tsara ny manamarika fa natolotra ny Mpanjaka avokoa izay omby volavita rehetra, ary voninahitra ho an'ny tompony izany fanomezana izany, araka ilay fitenenana hoe "mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha". Ny omby volavita moa dia toa ny volon-tsokolà manopy mena ny volony. Misy fotsy kosa nefa ny andriny, trafony, tongony 4 ary ny rambony.

Lapan'Andrianampoinimerina
Ny tongotra havanana no miditra voalohany, ary mihemotra rehefa hivoaka satria tsy azo atao ny manome lamosina ny Mpanjaka : izany no fomba arahina raha te hitsidika ny Lapan'Andrianampoinimerina. Trano kotona somary avo izy io. Mbola aranty ao ny fandriana miisa 2, dia ny Andrianampoinimerina (avo dia avo tokoa) sy ny an'ny vadiny. Mbola hita ao ihany koa ireo fitaovan-dakozia isan-karazany sy ireo fialamboly, toy ny fanorona. Saika vita amin'ny hazo na ireo fanaka na ireo fitaovana isan-karazany hita ao an-dapa.
Lapan'ireo Mpanjakavavy
Misy trano misy rihana 2 mifampitohy eo anilan'ny Lapan'Andrianampoinimerina.Tsy inona fa trano fivahinianan'ireo Mpanjakavavy mpandalo ao Ambohimanga izany. Samy efa nivahiny ao avokoa ireo Ranavalona sy i Rasoherina.
Manoloana ny Lapan'Andrianampoinimerina moa dia misy tafondro lehibe miisa roa, izay namboarin'i Jean Laborde ho an'ny Mpanjaka. Fampitahorana ny fahavalo no tena nilàna azy ireo, sady fiantsoana ny vahoaka rehefa hikabary ny Mpanjaka.
Fasana fitomiandalana
Toerana ilevenan'Andriana maromaro ny ao amin'ny Rovan'Ambohimanga. Miafina ao ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, Andriambelomasina, Andriatsimitoviaminandriana, Ranavalona I sy Ranavalona II. Lehibe tokoa ny "trano manara", izay trano hazo ambonin'ny vatobe. Ny fanahy hono mantsy no miaina ao anatin'ilay trano hazo, fa ny vatana no mety levona ka any ambany vato.
Ao ambadik'ireo fasana fitomiandalana ireo moa no fanasinan'ireo te hangata-pitahiana.Tsikaritra ny faritra tain-dabozia sy ny sisana tantely sy siramamy. Fanaon'ireo mpanasina hono mantsy ny mandrehitra labozia mandritra ny fanononana fisaorana na fangatahana. Ny tantely sy ny siramamy kosa dia anisan'ireo hasina fanolotra.
Dobo
Ahitana dobo miisa 2 ao amin'ny Rovan'Ambohimanga. Ilay somary kelikely no an'ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, fa ilay lehibe kosa dia an'ny Mpanjaka Ranavalona I. Rehefa handro ny Mpanjaka, fidiana manokana ny olona manadio sy mameno ny rano ao amin'ny dobo. Ara-tantara, vehivavy mbola madio sady velon-dray aman-dreny ihany no mahazo mitaona ny rano. Fambara ratsy mantsy ny fahafatesana ka heverina fa "vitan-dratsy" ny efa nisedra ny fahafatesan'ireo nahitana masoandro. Tsy vitsy ireo mpitsidika no manipy vola ao amin'ireo dobo ireo, no sady manonona izay faniriany eo.
Tsara ny manamarika fa misy ny fadifady hajaina rehefa makeny amin'ny Rovan'Ambohimanga, indrindra raha mikasa hangata-pitahiana. Tsy azo itondrana kisoa, tongolo sy toaka eny an-toerana. Mpanjaka tena tsy tia toaka sady nananatra mafy ny vahoaka moa i Andrianampoinimerina.
