Fampiofanana arak’asa : Tovovavy miisa 20 nisitraka fitaovana entina hanombohana asa hahaleovany tena tao Mahajanga
Tao anatin’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy sy ho fampahaleovan-tena azy ireo dia tovovavy miisa 20, tao Mahajanga no notolorana fitaovana. Ireto farany ireto izay entiny hitady vola sy hiariany hananany fahaleovan-tena ara-bola. Ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa no nizara ireo ary ny UNFPA kosa no miara-miasa amin’izany.
Hiadiana amin’ny herisetra
Mbola mitoetra eto Madagasikara, amin’ny faritra maro ny herisetra ara-toekarena na ara-bola. Voafaritra ao anatin’izany ny tsy fanomezan’ny vadiny vola ireo vehivavy tsy an’asa. Natao indrindra hiadiana amin’izany no nanolorana ireto fitaovana ireto taorian’ny fampiofanana izay natolotra azy ireo. Ahitana spatule, rouleau, bol inox, moule à pain, lafaoro gasy, machine à pâte professionnelle ary balance de cuisine électronique tao anatin’izany. Nanamafy indrindra ireo mpiofana fa "ny fahalalana azonay tamin' ny fiofanana dia hanampy anay hahaleo tena, tsy hiankina amin' ny lehilahy fa ho mpandray anjara mitovy amin' ny fandaniana ao antonkantrano" hoy ny solontenan' ireo mpiofana.
Etsy ankilany ny ministera dia mamporisika hatrany ny vehivavy mba tsy hijanona amin’ny fiankinan-doha be loatra fa hahay hizaka ny tenany. Sady mba tsy ho vesatra izy ireo ao anatin’izany no afaka hampandroso ny tenany manokana ihany koa.
Fiaraha-miasa maharitra
"Porofon'ny fandraisanareo an-tanana ny ho avinareo ny nahavitanareo ity fiofanana ity", hoy ny Minisitry ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa Marie Marcelline Rasoloarisoa. Etsy ankilany ny UNFPA dia manamafy hatrany ny fanohanany ny tetikasa izay mandray anjara feno amin'ny fampandrosoana, araka ny nolazain'ny mpisolotena maharitry ny UNFPA Josiane Yaguibou "Izahay dia resy lahatra fa ny fiofanana, ny fianarana sy ny fandraharahana dia fanoitra ho an'ny fivoarana sy ny fivelaran'ny tsirairay ary mitarika ny fivoaran'ny rehetra".
Izany indrindra no nanampiana ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa, ary indrindra hanomezana vahaolana ho an’ireo vehivavy lasibatry ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny famporisihana azy ireo handray anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena.
Mbola hitohy amin’ny sehatra maro isan-karazany moa io fiaraha-miasa io, ao anatin’ny faritra 23.